Toa bankiropotra ny fitondrana – Mitaky ny handoavana ny tambin-karamany ny Internes any Fianarantsoa

Stefa

Toa bankiropotra tokoa ve ny fitondrana eto amintsika amin’izao fotoana, satria mitaky ny volany avokoa ny sokajin’olona samihafa amin’izao fotoana. Mitaky ny handoavana ny tambin-karama telo volana koa izao ny mpianatra ho mpitsabo ao Fianarantsoa faritra Matsiatra Ambony, mikambana ao amin’ny Union des Internes de Madagascar (UIM).

Nilaza izy ireo fa efa samy nahazo ny tambin-karamany avy ny mpianatra : internes any amin’ny faritany 5 hafa afa-tsy i Fianarantsoa. Noho izany dia “tsy hiakatra service ary tsy hanao service minimum raha tsy azo ny Pre-salaire telo volana”, hoy ny filazana nataon’ireto avy amin’ny UIM any amin’ny renivohitry ny faritra Matsiatra Ambony ireto.