Fanaovana pasipaoro – Mety hiteraka kolikoly ny filaharana lavareny

Niaina

Filaharambe mihitsy amin’izao fotoana ny fanaovana pasipaoro etsy Anosy, izany toe-javatra izany dia mety hiteraka kolikoly amin’ny fanaovana azy. Na izany na tsy izany, misy ny fandaminana vaovao ataon’ny ao anivon’ny sampan-drarahara manao ny pasipaoro eto amintsika.

Ho fanampiana ireo olona tonga hanao pasipaoro eny Anosy, misy ny fandaminana vaovao apetraky ny sampan-draharaha manao izany nanomboka omaly 14 Aprily, ka toy izao manaraka izao izany: misokatra amin’ny 06 ora maraina ny fandraisana ireo antontan-taratasy. Raha sendra mahita olona na Polisy manao kolikoly dia afaka antsoina ny laharana 034 05 507 34.

Efa misy ihany koa ireo Polisy avy ao amin’ny IGPN, afaka hanatonana eny an- teorana raha sendra misy izany.

Mba hanafainganana ny fandinihana sy ny fankatoavana ny antotan-taratasy ilaina amin’ny fahazoana Pasipaoro dia aato aloha ny fitakiana ny “lettre d’hébergement”.

Hisy ihany koa ny fandaminana vaovao hapetraka, hialana amin’ny filaharana lavareny sy ny fandanim-potoana, koa iangaviana isika hanaraka izany, hoy ny tompon’andraikitra.