Angôvo – Mijaly jiro i Morondava, sahirana ny mpanjifa

Stefa

Mijaly amin’ny resaka jiro tokoa amin’izao fotoana ny mponina any Morondava faritra Menabe. Tsy mandeha ny rianaratra any an-toerana manomboka amin’ny 6 ora hariva, ka mandra-paharainan’ny andro.

Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana, efa talohan’ny fetin’ny Paska no nitrangan’izao olana izao. Sahirana ny mponina, simba ny asa fivelomana, miseho lany ny tsy fandriampahalemana. Mafana ny andro, noho ny tsy fisian’ny jiro anefa dia tsy mandeha koa ireo fitaovana fampangatsiahana, sy ireo fitaovana mampangatsiatsiaka.

Araka ny voalazan’ny tompon’andraikitra dia noho ny tsy fahampian’ny solika no mahatonga izany, efa am-piandrasana an’izany izy ireo. Ny rano no nambaran’ny tompon’andraikitra fa tena ilaina kokoa noho ny jiro, mba hampandehanana ny rano any an-toerana, ny jiro ilaina ampandehanana ny fahazoana rano aloha no mandeha sy ampiasaina amin’izao fotoana ny amin’ny renivohitry ny faritra Menabe.