Bemanonga, Analaiva, Ankilivalo, Mahabo – Faly tena faly ny olona nihaona tamin’ny filoha Ravalomanana

Isambilo

Any amin’ny faritra Menabe amin’izao fotoana ny filoha nasionalin’ny antoko TIM, sady filoha nasionalin’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM Marc Ravalomanana. Toerana maromaro no notsidihany omaly, ny tany Bemanonga sy Analaiva, samy ao amin’ny distrikan’i Morondava, ary ny tany Ankilivalo sy Mahabo, samy any amin’ny distrikan’i Mahabo.  Tamin’ireo toerana izay nolalovany, tsy nanaiky ireo olona raha tsy nijanona nitafa tamin’izy ireo izy, faly tena faly ireo mponina nitafa sy nihaona mivantana tamin’ny filoha Marc Ravalomanana.

Any Morondava anio no hanatanterahana ny kongresim-paritry ny antoko TIM any amin’ny faritra Menabe. Nanomana izany niaraka tamin’ireo mpitarika ny antoko tany an-toerana koa omaly ny filoha Marc Ravalomanana. Tao Bemanonga, tsy namelan’ireo mponina izy, raha tsy niresaka sy nihaino ny fitarainan’izy ireo. Tao Morondava afak’omaly, nitafa sy nihaino ny fitarainan’ireo mpanarato, tao amoron-dranomasin’i Morondava ny filoha nasionalin’ny antoko TIM. Nifampidinika tamin’ireo mpitarika ny antoko TIM any Morondava faritra Menabe ihany koa izy, mikasika ny resaka lisitry ny mpifidy, sy ny raharaha manokana momba ny TIM any amin’ny faritra Menabe.

Tamin’ireo toerana rehetra nolalovany, nanentana ny rehetra hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana izy, ho an’ireo mbola tsy nahavita izany. Ny fifidianana hoy i Dada no hahafahana manilika izao fitondrana mpampijaly vahoaka izao. Miara-dia aminy any an-toerana ny avy amin’ny birao politikan’ny antoko, ahitana ny sekretera jeneraly Rina Randriamasinoro, sy ny mpandrindra nasionalin’ny TIM Jean Claude Rakotonirina, any koa ny depiote isany Fetra Ralambozafimbololona, Emilien Ramboasalama, Mamy Rabenirina ary ny depiote Rastany.