Fitondrana Rajoelina – Resaka sisa no be, fa tsy tafavoaka amin’ny fanatanterahan’asa

Sôh’son

Resaka sisa ka mba ataon’izao fitondrana Rajoelina izao, izay milaza fa hanampy ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo renivohitra amin’ny fanarenana fanamboarana ny lalana simba tanteraka. Tsy misy lalana izay tsy simba lalina, feno lavadavaka be eto Antananarivo renivohitra tato anatin’ny volana maro izao.

Efa lasa lavitra ny fahapotehan’ny lalana eto an-drenivohitra ary sarotra ny fanarenana. Manaporofo izany ny governnoran’Analamanga, izay niàla maina, tsy nahavita ny fanamby nataony hanamboatra ny lalana hanampiana ny Ben’ny tanànan’Antananarivo. Nisy mihitsy ny filazana nataony tamin’izany raha toa ka tsy vitany ny lalana simba. Iarahan’ny mponin’Antananarivo mahalala tsara anefa ny zava-misy hatreto, mitovy amin’ny lalana simba sy potika any amin’ny faritra samihafa malaza amin’ny faharatsian’ny lalana, indrindra rehefa amin’ny fotoam-pahavaratra ny zava-misy eto Antananarivo renivohitra.

Resaka ka resaka ka mba atao ny an’ny fitondrana Rajoelina, fa tsy hisy afitsoka firy tahaka ny governoran’Analamanga ihany koa izy. Ny Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra rahateo dia efa mangina tsy ahitan-teny intsony, satria tsy nahavita mihitsy na dia nanome toky ny mponina aza, fa ho vitany tsara lavitra noho ny mpitondra teo aloha i Antananarivo nandritry ny fampielezan-kevitra nataony. Namita-bahoaka i Vazahabe Naina Andriatsitohaina, ary mila mifona amin’ny vahoakan’Antananarivo, fa tsy nahatanteraka ny fampanantenany, raha olona manana fahendrena tokoa sy mendrika hitondra vahoaka sy ity renivohitr’i Madagasikara ity. Kanefa ny olon’izao fitondrana izao, iaraha-mahafantatra tsara, fa tsy mba mahay miaiky fahadisoana sy tsy fahavitana andraikitra napetraky ny vahoaka taminy. Ny ataony aza matetika manilika amin’ny hafa ny hadisoana. Tsy mendrika ho tomponandraikitra hitondra vahoaka izany.

Tsy azo saintsainina velively ny hahavitan’izao fitondrana izao ny fanarenana ny fahasimbana fahapotehana lalina amin’ny lalana eto Antananarivo renivohitra. Efa am-bolana vitsy rahateo sisa no haha eo azy eo amin’ny fitondrana. Tsy hisy zavatra hiova intsony eto, hoy ny mpahay politika sy mpamakafaka ny raharaham-pirenena. Mandrovi-tsihy sisa no ataony ka atao avokoa izay azo isarangotana rehetra toy ireny natao tany amin’ny faritr’i Sava ireny. Manambitamby vahoaka sisa no atao, mba hahafahana mihazona ny seza. Miendrika politika famitaham-bahoaka ihany koa anefa izany. Tao anatin’ny efa-taona mahery, tsy hita izay natao hanatsarana ny fiainam-bahoaka manerana ny Nosy, izao vao mody mikoropaka. “Akoho tsy naneno hoatr’izay, …”. Isika rehetra no manohy azy, hoy ny fitenenana izay.