TIM Vavatenina Nanentana amin’ny fisoratana amin’ny lisi-pifidianana

Niaina

Nanentana ireo mponina ny mpikatroka avy amin’ny antoko TIM any amin’ny distrikan’i Vavatenina faritra Analanjirofo, mba hiditra anaty lisi-pifidianana. Ny Alakamisy lasa teo izy ireo no nanatanteraka izany, notarihin’Andriamatoa Flavien, ka tao amin’ny kaominina Tanamarina no nanaovana izany.

Nankasitraka ihany koa izy ireo ny toromarika avy amin’ny: Vice Président National Tim Province Tamatave, ny Présidente REG-TIM Antsinanana, ny Coach Agnalanjirofo: depiote teo aloha Rasomotra na Mananjara Fidison. Fidinana ifotony hatrany amin’ny fokontany no natao tamin’izany hoy ny mpitarika any Vavatenina, Andriamatoa Flavien.