MIANTSO MPIANATRA MAHAY MAMAKY TENY

Miantso mpianatra an-tsekoly havanana amin’ny vakiteny,
Hijoro tsara eo anoloan’iretsy manam-pahefana,
Ka hamaky ny lalàna mba ho fantatr’izy ireny,
Sy tsy hanaovany intsony ny di-doha sy ny hadalana!

Tsy izay tian’ireo mpitondra, tsy izany no arahina,
F’efa misy ireo voasoratra sy voarakitra ho lalàna.
Ny vahoaka maro an’isa, aoka kely tsy hofitahina,
Fa meteza hanatanteraka, aza asiana fanovàna.

Raha mikasa ny hanova, misy anie ny antenimiera.
Mandehana maka ny heviny, atsaharo ny amboletra.
Aza tia manapa-drery, aza tia mihoerahoera,
Fa andeha hajao ny rafitra izay eken’ny rehetra.

Miantso mpianatra an-tsekoly havanana amin’ny vakiteny,
F’efa mila solomaso iretsy manam-pahefana.
‘Ndeha vakio, ampahafantaro sy avereno mba ho reny,
Ny lalàna manan-kery, tsisy ampiana na analana!

…Aza ovàna ireo voasoratra, f’io tsy fety ery an-kianja
Ka izay mampientanentana no ezahina hovoizina.
Ny mpitarika mahay dia mila koa mandanjalanja,
Fa tsy faly mampiray ny vatomamy sy ny poizina!

IRINA HO TAFITA (07-04-23)