Hatramin’ny alakamisy izao – Niakatra ho 20.000 Ar ny saran-dalana Antananarivo-Antsirabe

Ambinintsoa

Nakarina ho 20 000 Ar ny saran-dalana mampitohy an’Antananarivo sy Antsirabe sy Antsirabe-Antananarivo, mandritra izao fetin’ny Paka izao ary tsy hiverina amin’ny laonina izany raha tsy amin’ny alakamisy ho avy izao. Fotoana isan’ny mahabe mpitsidika ny tanànan’Antsirabe ny vanim-potoanan’ny Paka toy izao. Misy fiantraikany amin’ny lafiny fifamoivoizana izany, ka saika isan-taona dia miseho ny korontana sy ny fanararaotana ataon’ireo mpitatitra, toy ny fampiakarana ny saran-dalana amin’izay mety amin’izy ireo. Tamin’ity taona ity anefa dia ny avy ao amin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety, na ny ATT mihitsy no nanambara ofisialy io fanondrotana ny saran-dalana io.

Tsy nisy fanazavana izay tena antony, fa raha ny filazan’ny avy ao amin’ny fitaleavam- paritry ny fitaterana dia naoty avy any amin’ny minisitera mpiahy, io fanitsiana ny saran- dalana ho 20.000 Ar io raha 15.000 Ar izany amin’ny vanim-potoana tsotra. Nanamarika kosa anefa ny avy ao amin’ny ATT, fa ho hentitra ny fanaraha-maso ny mety ho fadikan-dalàna, toy ny famenoana olona eny amin’ny sisiny, ny fitondrana mpandeha antsokosoko, ny fanaovana taingim-be sy ireo maro tsy voatanisa.

Ahitana mpitandro filaminana mihoatra noho ny mahazatra araka izany ny lalam-pirenena mihazo an’Antsirabe. Nisy ihany koa ny fanentanana ireo mpandeha ny amin’io fanajana ny lalàna io, toy ny tsy fandraisana fiara mpitatitra raha tsy eny amin’ny toerana voatokana amin’izany, sy ny famporisihana azy ireo, mba ho sahy mitoroka raha mahita na iharan’izany. Mampiavaka sy mampalaza an’Antsirabe ny fetin’ny Paka, ka ifatofana hatrany ny fanatrehana sy fandraisan’anjara ary ny fikarakarana ireo hetsika ara-javakanto, ara- panatanjahatena ary ara-ekonomika amin’ireo toerana maro isan-taona.