Maty voatifitra i Djaffar – Notafihan’ny jiolahy ny fiaran’ny zandary nitondra azy nankany Tsiafahy

Stefa

Notafihan’ny jiolahy ny fiaran’ny zandary mpitondra voafonja nankany Tsiafahy ny zoma alina teo, maty voatifitra tamin’izany i Djaffar. Lavo i Djafar, karana jiolahy mpaka ankeriny, naratra voatifitra ny zandary iray, fitaovam-mpiadiana maro sarona, rotiky ny bala ny fiaran’ny Zandarimaria iray. Ireo no vokatry ny fanafihan’ny naman’i Djaffar teny amin’ny lalana ho eny Tsiafahy, ny alin’ny 07 aprily 2023, araka ny vaovao nampitain’ny avy ao amin’ny Zandarimariam-pirenena.

Araky ny angom-baovao voaray teo anivon’ny Sampana mpikaroka heloka bevavan’ny Zandarimaria etsy Fiadanana (SRC) dia nikasa hanatanteraka asan- jiolahy goavana i Djaffar sy ny namany, raha fantatra fa ho tapitra tsy ho ela ny saziny eny Tsiafahy noho ny trangana fakana ankeriny tany aloha.

Noho izany dia nandalo famotorana lalina teo anivon’ny SRC indray izy ny andron’ny zoma 07 aprily ary naborany avokoa ny ambaindain’ny fikononkononana hataon’izy ireo ; notsirihina ny tranon’ny namany iray teny Ankadiefajoro izay efa maty, sy ny an’ireo namany, ka basy mahery vaika miisa 3 (02 kalach, 02 PA sy bala maro no sarona).

Rahefa vita ny famotorana dia naverina eny Tsiafahy izy, kanefa teny andalana dia nanaovan’ireo namany sakana velam-pandrika ny fiaran’ny SRC, izay nisy an’i Djafar sy ireo zandary. Jiolahy sahabo ho 4 nitondra moto scooter no nanafika. Tifitra variraraka no nataon’ireo jiolahy. Voatifitra teo amin’ny sandriny ny zandary mpamily, voatifitr’ireo namany tandrify ny lohany tsy nahy koa i Djaffar ka lavo avy hatrany. Namaly tifitra ireo zandary sady nanenjika, ka nianjera ilay moton’ireo jiolahy, nirifatra nilefa ireto farany ary dify tao anaty haizina. Basy poleta iray no hita teo amin’ny nianjerany.

Nentina namonjy hopitaly haingana ilay zandary naratra, ka efa manaraka fitsaboana sahaza sy handalo fandidiana. Mitohy ny fihazàna ireo jiolahy nilefa, sy izay rehetra nitsikombakomba amin’izy ireo. Mitohy ihany koa ny famotorana lalina ireo sakaizany miisa 3, izay mahafantatra tsara ny fikasan’i Djaffar sy ireo namany, izay efa ety ivelany hanao fakàna ankeriny.