EDITO 11 Aprily – Tsy famelana hivory ankalamanjana – Mandrora mitsilany ireo ministra 2, teny tsy am-piheverana no betsaka

Beharo

Taorian’ny teny nataon’ ny Minisitry ny ati-tany Tokely Justin, momba ny fanakanana ny fanaovan’ny mpanao politika hetsika ankalamanjana ireny, dia efa niaraha-naheno ny akom-baovao teto an-toerana nipaka hatramin’ny tompon’andraikitra vahiny samihafa naneho, fa “teny tsy am-piheverana” tokoa raha atao in-dray mijery ireny teny ireny. Ny olon-tsotra ihany koa izay nanontanian’ny mpanao gazety teto amin’ny Ny Valosoa sy ireo izay te-hamoaka ny heviny dia samy namaly toy izao manaraka izao: ny fanaovana hetsika an-dalambe no voarara fa tsy ny famoriam-bahoaka hoy ny ministra Lalatiana Rakotondrazafy, ka hoy ireo zokiolona sendra ny gazety teny am-pakana fisotroan-dronono nanao hoe: miteniteny foana io minisitra io, satria ny eny ankalamanjana no sakanana ka raha vao nahita an-dRavalomanana nandeha an-tongotra tany Sambaina sy Manjakandriana iny dia lazaina fa manao hetsika an-dalambe.

Ankoatra izany, nisy ny nilaza fa ny filoha Marc Ravalomanana no nahatonga ny fitohanana tany amin’ny làlampirenena faha-2 iny raha ho any Manjakandriana, nefa ny zandary no nanakana azy sy ireo fiara marobe nifamezivezy, ary raha nandray ny anjara fitenenana izy tany an-toerana dia fanentanana olona hisoratra anarana amin’ny lisitry ny mpifidy no nimasoany, hoy ny mpiompy sy mpamboly avy any Sambaina sendra ny mpanao gazety.

Mandrora mitsilany ireo minisitra 2 voatonona ireo, hoy ny tanora vitsivitsy, raha mbola tsy ampy taona izahay tamin’ny 2009; ankehitriny kosa vita fianarana sy mamoaka feo manao hoe: famikiran-tseza sy atao tohatra fiakarana no tena fonosin’ny ekipan-dRajoelina. Ireo very asa tao amin’ ny Air Mad sy orinasa Tiko izay nanatona ny mpanao gazety moa dia samy nitovy hevitra nanao hoe: aleo haneho ny anjara heviny malalaka ny mpanohitra, ka mba ho afaka mampiasa fanamafisam-peo amin’izay tiany, fa tsy raràna araka ny feo azo any rehetra any, mitady hanimba amin ‘izay ankalamanjana tian-kaleha. Mazava izany avy amin’ireny fanapahan-kevitra ireny, fa atao daholo izay fomba hanakanana ny mpanohitra, ka ny filoha Marc Ravalomanana mihitsy no tena tohanana amin’izany noho ny fahatahorana azy. Tahotra tokoa no lehibe indrindra amin’izao fitondrana Rajoelina izao.