IRENY VE NO JENERALY ?

Ireny ve no jeneraly, ireny no mpitari-tafika?
Sao nasondrotsondro-poana na koa tena tsy ampy lafika,
Fa dia tena ihomehezana ary mampanongo tena,
Raha ireny no lazaina ho tandroky ny firenena!

Ny nataony tany atsimo, indrindra koa ny tany avaratra,
Dia tsy misy zava-tsara anehoana azy ho fitaratra,
Fa dia tena mampiaiky ny nataon’ny be galona.
(Asa na voaterin’inona ka dia indro fa nifona!)

Fihetsika toa hafa loatra sy maneho an-karihary
Hoe misy zava-tsy milamina ny tontolon’ny zandary.
Hita be ny tsy fahaizana ary koa ny havendranana,
Tena manana fiantraikany amin’ny fomba fitantanana!

…Fa mpitandro filaminana tena tsisy kalitao,
Ka ny dahalo no manjaka sy manao izay tiany hatao.
Tsy misy zava-banona eto, ny fiainana, mikatso,
Fa ny lohany mihitsy no efa hita ho matsatso!

Vokany dia tsotra ihany : mihorohoro ny vahoaka,
Noho ireo ngeza sy mpitarika efa tena tsisy hapoaka!
Ny hany zavatra mba hainy sy itsarana azy ho mafoaka
Dia ny fiarovan-tseza sy fiarovana kapoaka!

DADAN’i ZINA (06-04-23)