Ny mpitondra ankehitriny sy ny fampianarana

Tena tsy ampiasàny saina ny tontolom-pampianarana,
Fa ataony faralahiny amin’ny zavatra rehetra.
Izany hoe grevy izany, nofinofy izay hifarana,
Vahaolana mba hainy: fitaka sy herisetra!

Mpianatra efa lany vatsy sy tsy manan-trano akory,
No indreny fa mijoro sy mitaky izay mba zony.
Nefa tokana ny baiko: izay mihetsika sambory.
(Donto ve ireo mpitondra, tsisy fo mitempo intsony?)

Nefa anie tsy volabe ity ilay vatsy fanome,
Fa tena kely sady zara raha hoe mahatody volana.
Saingy toa vao mainka koa alentiky ny debabe,
Ka dia mitohy mitohy hatrany sady tsy mivaha ny olana!

Fampiesonana no betsaka, laingalainga tsy mijanona:
“Efa ao anie ny vola fa sonia no sisa andrasana!”
Kanjo inona no eo fa toa tsy misy zava-banona.
(Asa angamba, mbola vola hotadiavina any am-pasana!)

Ny mpitandro filaminana, efa be manaonao foana:
Tovovavy no aboridany, anehoany ny habibiany!
Baiko avy amin’iza ireny, ireo lehibeny ve no moana,
No dia tsy ahitana teny, sa izay no fifaliany?

…Fa dia tsy ampiasana saina ny tontolom-pampianarana.
Izay hoe drafi-panarenana dia tsy hita sy tsy tazana.
K’aza gaga raha tsy misy izay mba sombim-pivoarana,
Noho ireo donto mianakavy tsy ahitana fahombiazana!

IRINA HO TAFITA (25-03-23)