Fiainam-pirenena Marefo ny fampianarana eto amintsika

Beharo

Amin’izao fotoam-pialantsasatry ny Paska izao, dia mba nanatona mpianatra sy ray amandrenin’ny mpianatra vitsivitsy ny gazety, nanontany azy ireo hoe: mba nanao ahoana ny fahitanareo izay fotoam-pampianarana vita izay raha oharina amin’izay toe-draharaha sy tranga na ny làlana nodiavin’ny firenena izay? Tsorina fa na ny ankizy amin’ny CeG, Lycée, sy ambaratonga ambony dia samy nilaza fa “MANTA MOHAKA”, “TSIZARIZARY”, MAREFO ny fampianarana eto. Tsy ampy ny tanjona tokony ho tratrarina, be ireo taranja tsy tontosa ara-dalàna noho ny olana vokatry ny andro ratsy, ny fahasahiranana ara-bola, ny tsy fahaiza-manao eo amin’ireo mpanabe, izay efa tsiny nanenjehana ny Fram sasantsasany hatrany raha vao niandoha ny taom-pianarana.

Ny eny amin’ny Anjerimanontolo, dia ity vola fanampiana ny mpianatra tsy mety mivoaka ity, no efa sakana ho azy ireo, ka mahatonga ny fianarana ho tsizarizary sy efa tojo fitokonana sy fihetsiketsehana samihafa foana. Ny ankizy madinika ihany koa dia nolazain’ireo ray aman-dreniny, fa tsy araka satria nisondro-bidy avokoa ny fitaovam-pianarana, ka lasa kitoatoa daholo ny anjaran’izy ireny, tsy afaka manao fianarana manokana “cours” ohatra, satria mbola mila tambiny avokoa izay atao, tsy ampy ny ho enti-manana ka dia mihemotra tsikelikely eny, mety miala tsy fidiny amin’ny sekoly mihitsy aza.

Tsorina anefa fa na ireo efa vita fianarana, be diplaoma aza izao, dia mitaraina fa tapi-dalan-kaleha ihany koa, nilaza izy ireo fa vita ny fianarana nefa na ny asa atao aza tsy misy, ny orinasa rahateo dia manda azy ireny, satria tsy mifanaraka amin’ny fari-pahaizany ny anjara karama tian-komena azy ireny na izay tambin-karama kely eo. Hita fa mitombo tsikelikely ireo be atidoha kely karama, izay toa lasa jiolahy rehefa tsy mahita ho hanina, mpanolana, mpangarom-paosy, mpandroba manara-penitra mihitsy aza atsy ho atsy.