Fianarantsoa, Mahajanga, Toamasina – Nifandona indray ny mpianatra sy ny herim-pamoretana

Stefa

Nifandona indray ny mpianatry ny Oniversite sy ny herim-pamoretan’ny fitondrana Rajoelina omaly, tany Fianarantsoa renivohitry ny faritra Matsiatra Ambony. Tany amin’ny Oniversiten’Andrainjato, raikitra indray ny fitokonana. Nifamely ny mpianatra sy ny mpitandro ny filaminana. Raikitra noho izany ny torabato, sy ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso. Mpianatra iray no voalaza fa voasambotra.

Raha ny angombaovao dia mitaky ny vatsim-pianarany 5 volana mbola tsy voaloan’ireo tompon’andraikitra ireo ireo mpianatra. Raha ny vaovao azo omaly, mitokona toy izany koa ny mpianatry ny Oniversite any Ambondrona Mahajanga sy ny any Barikadimy Toamasina. Vatsim-pianarana 5 volana tsy voaloa sy equipement koa no olana ho azy ireo.

Nisy ny nanambara ireo mpianatra fa mahita hividianana 4×4 ho an’ireo lehiben’ny distrika ny fanjakana, fa nahoana no tsy mahita vola anefana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra, tsy rariny mihitsy ny zava-misy hoy izy ireo.