Dis-TIM Boriboritany faha-3 Miantso ny filoha Ravalomanana hirotsaka ho fidiana indray

Stefa

Miantso ny filoha Marc Ravalomanana, filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, sady filoha nasionalin’ny TIM, hirotsaka hofidiana indray, amin’ny fifidianana filohampirenena hatao amin’ity taona ity, ny Dis-TIM Boriboritany faha-3 sy ny depiote voafidy tao an-toerana Feno Ralambomanana.

Nanatanteraka fivoriambe tao Bel’Air Ampandrana ny sabotsy teo, ny Dis-TIM Boriboritany faha-3. Nandritr’izany, najoro ho hitan’ny rehetra ny biraon’ny DISTIM, ny vehivavy Tim ary ny Jeune Tim, izay maro ny asa miandry azy amin’ity taona 2023 ity, amin’izao hiatrehantsika fifidianana izao. Nanome toky izy ireo, fa tsy handraraka ilo mby an-doha ny haha-madio sy mangarahara ary marina sy ho eken’ny rehetra ny fifidianana hatao. Ho fanatanteraha izany hoy izy ireo, tokony ho tanterahana ny fikaonandoham-pirenena ary tokony hisy hahitsy koa ao amin’ny lalam-pifidianana.

Ankoatra izany, tanora miisa 36 mianadahy, no notoloran’ny depiote Feno Ralambomanana “certificat”, na mari-pankasitrahana, tamin’ny fampianarana informatika maimaimpoana nomena azy ireo, hahafahana miasa avy hatrany, amin’izao firoboroboan’ny teknolojia vaovao izao.