Fanakanana fivoriana ankalamanjana – Vinitra amin’ny ministra Tokely, ny filoha Ravalomanana

Isambilo

Tontosa omaly tao amin’ny Tiko Sambaina Manjakandriana faritra Analamanga ny fifampiarahabana tratry ny taona, sady fihaonambe nataon’ny Dis-TIM Manjakandriana, notarihan’ny filohany William Henri Randriamanga. Niatrika izany ny filoha Marc Ravalomanana, sy ny avy amin’ny birao politikan’ny antoko, nahitana ny sekretera jeneraly Rina Randriamasinoro, sy ireo depiote TIM notarihan’ny filohan’ny vondrona parlemantera TIM, ny depiote Fetra Ralambozafimbololona.

Na nisy indray aza ny fanakanana nataon’ireo mpitandro filaminana herim-pamoretan’ny fitondrana Rajoelina, tontosa ihany izany fihaonana izany. Voatery nandeha an-tongotra ny filoha Marc Ravalomanana sy ireo mpiara-dia aminy nandritra izany, satria voasakana ny fiara nitondra azy ireo raha nikasa ho any Manjakandriana aloha. Niteraka fitohanan’ny fifamoivoizana tamin’ny lalampirenena faharoa iny ihany koa izany, ka nahatonga ireo mpampiasa izany lalana izany, tezitra tamin’ireo mpitandro filaminana koa. Noho izay fanakanana izay, sy noho ny fandraran’ny ministry ny atitany Tokely Justin ny famoriam-bahoaka ankalamanjana, vinitra na tezitra tamin’izany fanapahan-kevitr’ity mpikambana amin’ny governemanta ity izany ny filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, sady filoha nasionalin’ny antoko TIM, mba ministra ihany hoy izy nefa tsy mahafantatra izay voalazan’ny lalampanorenana sy ny lalàna velona misy eto amin’ny firenena.

Nanome toky ny filoha Marc Ravalomanana, fa tsy hisy izany voasakantsakana izany intsony, fa mandroso hatrany. Fisakanan’olombelona ireny, hoy izy. Fisakanan’olona manana saina ratsy tsy te-hampandroso ny firenena, fisakanan’olona kanosa. Fantatra tamin’io fotoana io koa, fa manohana ny tolona ataon’ny mpanao gazety ao amin’ny Federasiona: FAJM, ny filoha Ravalomanana, amin’ny tokony hanokafana ny gazety La Gazette de la Grande Ile, miombom-po amin’i Lola Rasoamaharo koa izy amin’ny antsojay izay mahazo azy, amin’ny fampidirana am-ponja ity filoha tale jeneralina gazety ity izao.