Fitondrana Rajoelina – Tsy tambo isaina ny fanitsahana lalampanorenana ataony

Andry Tsiavalona

Tsy fantatra intsony na tsy fahaizana mitantana na tahotra diso tafahoatra, na fampiharana mivilana ny lalàna velona no itantanan’izao fitondrana Rajoelina Andry izao ny Firenena noho ny resaka politika.

Ny tena mibaribary dia ny tsy fanajana ny Lalàmpanorenana teo amin’ny fanendrena governora isam-paritra kanefa fifidianan’ny mpifidy vaventy no mifidy ny Lehiben’ny Faritra sy ireo Mpanolontsaim-paritra. Nanambara ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), fa « vonjy maika » (provisoire) ihany izany kanefa dia efa ho tapitra ny fe-potoana itondran’ireo nampindramina ny fahefana ireo, fa mijanona eo amin’ny toerany ireo governora.

Torak’izany koa ny any amin’ireo Kaominina tsy mbola misy Ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna miisa roaplo mahery. Efa mahazatra ny filohan’ny Repoblika Rajoelina ny mibodo fahefana, ka mampitatra izany araka izay tiany toy ny tamin’ny tetezamita. Tsy azo odiana tsy hita ny fifampifangaroana ny fahefana, ka ny fahefana mpanatanteraka indray no mibaiko ny fahefana mpitsara sy ny fahefana mpanao lalàna.

Ny tranga tato ho ato misongadina dia ny raharaha Rasoamaharo Lôla izay niandoha tamin’ny resaka voalaza, fa fitakiana vola tsy ara-drariny izay nosokajian’ny mpitory azy ho raharaha sivily kanefa namoronana vesatra hafa indray dia ny tsy fandoavany faktioran’ny Jirama mitentina efajato tapitrisa ariary ny taona 2016. Tsy fantatry ny niketrika ny vesatra, angamba, fa misy ny « prescription quadriennalle » izay mamaritra, fa rehefa tsy nihetsika tao anatin’ny efatra taona izay mahatsiaro ho tsy nisitraka ny zony ara-bola dia foana ho azy izany. Midika izany fa ireo manampahefana ankehitriny tokoa, no mitondra ka afaka manao izay tiany atao.

Tsy lazaina intsony ny fanaovan’ny olom-boatendry tsinontsinona ny olom-boafidy, ka “préfet de police” no manakana, amin’ny alàlan’ny herim-pamoretana, ny solombavambahoaka tsy hanao tatitra amin’ireo vahoaka nifidy azy. Fandikan-dalàna tsotra izao ny fanakanana ny olompirenena na mpanao politika na olon-tsotra na fikambanana tsy haneho hevitra izay midika ho fanitsakitsahana ny demokrasia sy fizorana any amin’ny didy jadona. Niaraha-naheno ny vaovao tany Toamasina, fa ny “préfet de police” no mampiantona didim-pitsarana satria olom-boatendry izy, ka tsy fahefany na zony ny manome baiko ny fitsarana. Satria ny mpitondra ankehitriny no nanendry azy dia mihevitra izy fa azony atao ny manao izay tiany atao, ka tsy maintsy milefitra amin’izay fanapaha-keviny ny sehatra rehetra ao anatin’ny tanàna ananany fahefana. Mihevitra ihany koa ity manam-pahefana ity fa ao anatin’ny antokon’ny mpitondra izy, ka afaka mampiasa izany loko politika izany na dia amin’ny maha mpiasam-panjakana azy aza. Midika izany fa ireo manam-pahefana isan’ambaratongany eo amin’ny sehatry ny asam-panjakana dia mihevitra, fa rehefa manohana ny fitondrana izy dia afaka mitsabaka amin’ny raharaha any amin’ny sehatra tsy azony idirana. Efa mahazatra ny fandikan’ny herim-pamoretana ny lalàna momba ny “franchise universitaire” ka idirany amin-kery any anatin’ny faritry ny Anjerimanontolo ary isamborany mpianatra mitaky ny zony tsy nositrahany nandritra ny volana maro.

Mitaky ny fanaovana fanadihadiana momba ny fitifirana vahoaka tany Ikongo ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana. Araka ny kabary nataon’ity solombavambahoaka ity dia tena manelingelina ny mpitondra izy, ka nisy fivorian’ny tandapa teto an-drenivohitra, ny sabotsy lasa teo, ka nisongadina tamin’izany ny tetika hoentina manao velampandrika hamonoana azy ho faty. Tsy misy miafina amin’ny olompirenena mpanaraka ny fiainam-pirenena, indrindra eo amin’ny sehatra politika, fa manampatra fahefana sy tsy mitsahatra ny manitsakitsaka ny lalàna velona eto amin’ny Firenena izao fitondrana izao.

Hiatrika fifidianana ny Malagasy amin’ity taona ity, ka mba hahalany izay kandidà mendrika sy tiana ho tonga eo amin’ny fitondrana dia ireo làlana tsara indindra dia ny fandrafetana ny Lalàm-pifidianana hanampenana ireo hirika rehetra hangalarana, hanamarinana ny lisitry ny mpifidy sy hametrahana mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana sy ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena Miandraikitra ny Fifidianana, ho avy amin’ny hery velona rehetra misy eto amin’ny Firenena. Adidy tsy maintsy tanterahin’ny Raiamandreny ara-panahy sy ireo Olobe ny mandresy lahatra ny mpifidy tsy an-kanavaka, hahay hanavaka ny vary sy ny tsiparifary, ka tsy ho voavidy amin’ny zavatra mandalo sy manodoka fa hibanjina lavitra.