EDITO 4 Aprily – Fanakanana fivoriana ankalamanjana – Ny fitondrana no tena saro-tahotra

Beharo

Taorian’ny antso, filazana nataon’ny minisitry ny ati-tany teo ireny momba ny fandrarana ny famoriana olona ankalamanjana, dia marobe ireo olona naneho ny heviny tamin’ny gazety ny faran’ny herinandro teo hatramin’ny omaly hariva, nilaza fa hetraketraka ihany ny raharaha toa ireny izay milaza fa fanehoana korontana hono, noho ny tahotra ara-pifidianana raha atao in-dray mijery ny an’ny mpitondra. Tao ireo nilaza fa matahotra ny fifidianana kasain-katao ve Rajoelina sy ny ekipany? nisy koa ireo nanambara fa: “efa manao ny tsy rariny ka matahotra tanteraka “sao very seza eo.

Ny tena itovizan’ny maro dia ny hoe: rehefa mpanohana an-dRajoelina ve dia mahazo miantsoantso etsy sy eroa, nefa rehefa mba tsy mitovy hevitra aminy na mpanohitra dia sakanana amin’ny fomba manafintohina samihafa tokoa? Maro ireo porofo efa hita izao, maneho fa mijery mitongilana tokoa ry Rajoelina sy ny mpanohana azy, porofon’izany ny sakana natao teny amin’ny Magro ho an’ny Vehivavy TIM, ny teny Soarano saika nataon’ny HVM, ny tany Mananjary, izay efa tsy rariny natao tamin-dry depiote Siteny ihany koa, ny teny Itaosy izay fifampiarahabana teo amin’ny antoko Tim, dia gidragidra tanteraka, sns…

Nefa raha nanao ny anjarany ny Arema, ny Freedom, ny Ird, sy ry Lokom-boasary samihafa teny ankalamanjana, dia afaka naneho malalaka tokoa, ka na fandokoana tsangambato sy saina mivadika aza dia nekena foana tao Antsirabe faritra Vakinankaratra.
Hita porofo hoy ny maro sendra ny mpanao gazety fa: “matahotra ” tokoa ra-Fanjakana ka manao ny tsy rariny toa izao, maniraka ny Emmoreg tsy am-piheverana, tsy mahafantatra ny tokony na ny tsy tokony hatao, sa tsy mahatadidy ny efa nanenjehan’ny vahoaka mpitolona ny FRS, ny RESEP fahiny, ka tokony mba handinika lalina ihany toy ity minisitry ny ati-tany namoaka filazana farany teo ity, ary mba hampitovy fijery amin’ny Ceni, momba ny fanomezana malalaka ny famoriana olona eny ankalamanjana, fa tsy hijery mitanila toy izao.