ANY IANAO RY TOMPONDAKA !

Aiza ianao ry tompondaka no tsy « mahazaka dona»?
Mbetika no miakatra afo sady tezitezi-poana.
Ny mpanohitra jereo fa efa miaraka mirona,
Ka hangala-bato sisa f’efa very ny finoana?

Ny ao anaty lamasinina efa be no niparitaka.
(Tsy matoky tompondaka na izany aza no anarany!)
Azo ambara ho tompony izy raha ny lainga sy ny fitaka,
Ka indreo mandositra azy ireo tsy te ho tratra farany!

Ho azy tsy izay hampandroso no laharam-pahamehana,
Fa ny mieboebo hatrany sy midehaka no hainy.
Fahantran’ireo vahoaka, izay no ilàna fanatrehana,
Saingy ho azy, tsy izany, fa manidina ny sainy!

…Hita ity ilay tompondaka fa tsy « mahazaka dona ».
Ireo izay mihetsika rehetra dia ezahiny kendaina.
Ry vahoaka malagasy, mijoroa ka mivondròna,
Tompondaka sandoka io ka mendrika ny hotsaraina!

IRINA HO TAFITA (30-03-23)