Raharaham-pirenena – Mandraisa andraikitra arak’izay tandrify anao hoy ny FFKM

Isambilo

Nifarana omaly ny fihaonamben’ny FFKM: Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara, naharitra hateloana teny amin’ny FOFIKRI ilafy. Ny tenin’ny soratra masina ao amin’ny Jeremia 1/10 DIEM: « Jereo fa omeko fahefana ianao anio amin’ireo firenena sy fanjakana mba hanongotra sy hanjera, hanapotika sy handrava ary hanorina sy hamboly indray », no loha-hevitr’izao fihaonambe izao.

Nisy ny fanambarana iombonana natao tamin’ny fiafaran’ny fivoriana omaly: nanambara ny FFKM fa tokony handray andraikitra arak’izay tandrify azy ny tsirairay eto amin’ny firenena. Miantso ny vahoaka malagasy manontolo izy ireo: tsy ny vahoaka ao anatin’ny FFKM ihany, tsy ny vahoaka kristiana ihany, fa ny vahoaka malagasy tsy vaky volo, mba ho olom-pirenena vanona sy tomponandraikitra. Adidintsika hoy ny fanambarana ny mijoro fa firenentsika ity, dia isika no sarotiny amin’ny zotram-pifidianana izay atao.

Misorata anarana amin’ny lisi-pifidianana, hamarino ny anaranao any amin’ny lisi-pifidianana ary rehefa tonga ny fifidianana, mandraisa anjara ianao. Mirotsaha ianao handray andraikitra arak’izay manandrify anao, mba hahatanteraka izany ho amin’izay tena ahasoa ity tanindrazana iombonana ity.