Lola Rasoamaharo – Naverina eny Antanimora rehefa avy niakatra fampanoavana

Stefa

Naverina eny amin’ny fonjan’Antanimora indray, ny filoha tale jeneralin’ny gazety La Gazette de la Grande Ile, Lola Rasoamaharo, rehefa avy niakatra fampanoavana teny amin’ny fitsarana Anosy omaly. Niakatra Fampanoavana fanindroany i Lôla Rasoamaharo, filoha Tale Jeneralin’ny orinasan-gazety La Gazette de la Grande Île.

Raha vehivavy mpandraharaha niara-niasa taminy no nitory azy ho nanao fitakiam-bola tsy ara-drariny, miaro fanalam-baraka, ka nitazonana am-ponja vonjimaika azy eny Antanimora nanomboka ny sabotsy lasa teo, dia fitoriana nataon’ny orinasa Jirama indray ity niakarany Fampanoavana omaly ity. Raharaha izay efa tamin’ny taona 2016 izao niakarany teny amin’ny Fitsarana Anosy izao.

Nialohavana fanagiazana ireo fitaovan’ny gazety ity raharaha ity teny amin’ny Villa La Pradon afak’omaly, nalain’ny zandary tao avokoa ny fitaovan’ny gazety La Gazette de la Grande Ile. Mitohy ny famotehana mpanao gazety sy orinasa fanaovan-gazety ataon’ny fitondrana Rajoelina.