Federasionan’ny fikambanana mpanao gazety FAJM – Mitaky maika ny fanokafana ny La Gazette de la Grande Ile

Nanonin’i Niaina

Manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana, nanao fanambarana tetsy Antanimena ny FAJM : Federasionan’ny fikambanan’ny mpanao gazety eto Madagasikara:

« Manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena, izay miantraika mafy amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Mijoro ny Fédération des Associations des Journalistes à Madagascar, manao izao fanambarana izao: miendrika fanakatonana ny gazety ny fakana ny fitaovan’ny mpanao Gazety am-perinasa, izay voararan’ny lalàna. Ny fanakatonana ny gazety izay tsy nialohavana fampitandremana. Na avy amin’ny OJM, na avy amin’ny minisitera, dia miendrika fampitahorana ny mpanao gazety rehetra, izay sahy miteny, sy sahy mandeha lalindalina sy lavitra kokoa amin’ny fikaroham-baovao.

Koa satria tsy misy fanamelohana ara-pitsarana ny La Gazette de la Grande Ile, noho izany, sady tsy ara-drariny no tsy ara-dalàna ny fakàna ny fitaovan’ny La Gazette. Fanitsakitsahana ny Lalampanorenana, fanosihosena ny zo ampahalala vaovao, sy ny zo fototry ny olom-pirenena ahazo vaovao maro lafy ny fanakatonana ny Orinasan-gazety tahaka izao.

Tsy miditra amin’ny raharaham-pitsarana mikasika an’i Lola Rasoamaharo amin’ny maha-olom-pirenena azy ny Federasiona, saingy saro-piaro amin’ny lanja sy ny hasin’ny Orinasan-gazety. Mahagaga ny fahanginan’ireo Lehiben’ny Orinasan-gazety eo anivon’ny GEPIM, izay sokajianay ho ray aman-dreny, satria isan’ny akaikin’ny Mpanao Gazety izy ireo. Manentana ny Fikambanan’ny mpanao Gazety rehetra, ny mpanao Gazety tsirairay, hijoro sy hitsangana, sy hiray hina manoloana izao toe-javatra izao ».