Andry Rajoelina – Filoha, mpitari-bato vilam-bava

Andry Tsiavalona

Nanao antso tamin’ny Malagasy indray ny filohan’ny Repoblika IV-2, Andry Rajoelina ny 29 Martsa lasa teo, hiray hina sy handresy ireo sakana amin’ny fampandrosoana ny Firenena. Ny manahirana anefa dia na ny fihetsika na ny teny aloaky ny vavany tato ho ato, dia izy mihitsy no manao fihantsiana amin’izay heveriny fa mpifanandrina aminy sy izay lazainy fa mpanohitra ny fampandrosoana novinainy ho tanterahina. Midika fa mpitari-bato vilam-bava ity filoha mpampahantra vahoaka ankehitriny ity. Manampy trotraka izany ny zava-misy eo anivon’ny mpiray donakafo aminy, izay miharihary fa mitombo andro aman’alina ny tsy fifankazahoan-kevitra sy ny fanilikilihana ary ny fanomezana tombony ny sasantsasany, hany ka tsy takona hafenina intsony fa mifanipaka toy ny valala an-karona izy ireo.

Maneho ny fahadisoam-panantenany ny mpamboly sy ny mponina any amin’ny Faritra noho ny tsy fanatanterahany ny fampanantenana natao. Miha-mahery vaika ihany koa ny fitakian’ny mpianatra eny amin’ny Anjerimanontolo, tsy eny Vontovorona ihany fa hatrany Barikadimy. Miditra am-ponja avokoa izay rehetra tratry ny tondro-molotra, ka hamoronana vesatra hiampangana azy. Mitaky ny karamany na ny tambin-karamany ny mpiasa sasany eo anivon’ny sehatry ny asam-panjakana. Matoa misy ireo toe-javatra ireo dia azo inoana fa misy dian-tànan’ny filohan’ny Repoblika, satria hita amin’ny ataony rehetra fa sady an-tsaha izy no an-tanàna.

Araka izany dia mavaivay ny toe-daraharaha eo amin’ny sehatra rehetra. Nanomboka tamin’ny fitsipaham-pitokisana nosoniavin’ny depiote 105, no niandoha ny fihantsiana satria tsy ao anatin’ny fahefan’ny filohan’ny Repoblika, araka ny Lalàmpanorenana, ny mampiantso sy mandrahona solombavambahoaka. Taratry ny disadisa anatiny ao amin’ny fitondrana ny resaka Omda, izay mampifanandrina ny depiote Rossy, miaraka amin’ireo mpanakanto, sy ny minisitry ny Serasera sy ny Kolotsaina Lalatiana Rakotondrazafy. Na tiana na tsy tiana dia neverin’ny Jeneraly Lylison fa tsy nisy tambiny ho azy mihitsy ny fikelezan’ainy tamin’ny nanohanany ny filohan’ny Repoblika ho eo amin’izany toerana izany. Mba niandrandra ny ho SEG izy amin’izao faramparan’ny fe-potoana itondran-dRajoelina Andry izao. Fihantsiana no azo ilazana ny sakantsakana atao amin’ny antoko politika na fiarahamonim-pirenena na fikambanana hanao hetsika, tsy hidina an-dàlambe, fa amina toerana mifefy, kanefa ireo rehetra manohana ny fitondrana dia malalaka amin’izay tiany atao, na aiza na aiza amin’ny fotoana rehetra.

Fandranitana ny olompirenena te-haneho hevitra momba ny tsy fahazakana intsony ny fiakaran’ny vidim-piainana ny fanakanana azy ireo amin’izany. Ny tranga tany Mananjary sy Manakara dia mampibaribary ny fisaraham-bazana sy ny fivakisana eo anivon’ny fitondrana, ka na vitsy an’isa ireo depiote manaraka an’i Siteny, ka tsy mampihena ny herin’ny mpanohana ny filohan’ny Repoblika, dia mihenjana ny tady ary tsy maintsy ho tapaka amin’ny farany. Famakiana ady amin’ny vahoaka any Sambava, nanery ilay mpitondra Bajaj nanala ny akanjo miloko lôranjy, ny fanomezan’ny filohan’ny Repoblika baiko ny Sekreteram-panjakan’ny Zandarmariam-pirenena hanery olona nanao hetsika hanondro izay nanakarama azy ireo, ka ho faiziny izay voampanga. Tsara ho fantatra, fa efa mafana ny toe-draharaha any amin’ny Faritra noho ny resaka lavanila, ka tsy fantatra izay ho fiantraikan’izany teny misary fihantsiana izany. Nampiakarina ho amin’ny gradin’ny jeneraly ireo manamboninahitra ambony eninambitelopolo izay mampieritreritra ny nisafidianana azy ireo, satria tsy vitsy ireo manamboninahitra ambony nivoaka tamin’ny andiany tany aloha kanefa tsy nampiakarina mihitsy. Heverina fa hiteraka fifandrafiana fifanenjehana eo anivon’ny foloalindahy izany, satria tsy azo lavina fa samy manana izay mpanohana azy na ny nampakarina grady na ny tsy nampakarina.

Nanao antso hirosoana amin’ny fifidianana ny FFKM, ka namporisika ny manan-jo hifidy rehetra hisoratra anarana ao amin’ny lisitry ny mpifidy. Miantso ireo manaika hanaraka ny fitsipi-dalao mifototra amin’ny “Fahamarinana” araka ny Soratra Masina: “Ny fahamarinana no manandratra ny Firenena”. Tsy “dogme” izany fa “principe” izay ifaneken’ny olompirenena rehetra, vonona hanaramaso sy hijoro amin’ny fahamarinana amin’ny fifidianana. Amin’ny maha minisitra azy dia tsy anisan’ny nametraka fehezam-boninkazo niaraka tamin’ny filohan’ny Repoblika sy ny ministry ny Fiarovam-pirenena, teny amin’ny Fasan’ny Mahery Fo, Ambohitsaina, ny SEG Serge Gellé izay tsy azo lavina fa nihevitra fa fanilikilihana azy izany. Fihantsiana ny “hery fahaefatra” (fanaovan-gazety) ny fanakatonana sy fandraofana ny fitaovan’ny “La Gazette de la Grande Ile”, ka na tiana na tsy tiana dia hiteraka fifandrafiana eo amin’ny mpanao gazety mpanohana ny fitondrana sy ny mpanao gazety mpanohitra ny fitondrana izao fihetsika ataon’ny fitondrana izao.

Azo lazaina fa “mpitari-bato vilam-bava” ny filohan’ny Repoblika satria mifanohitra amin’ny baiko omeny ireo mpiaradia sy mpanohana azy ny fampandriana adrisa dradradradrainy etsy sy eroa. Ny fanirian’ny olompirenena manam-panahy sy manana fahendrena ary sahy mijoro amin’ny fahamarinana dia tsy ho toy izao fandranitana sy fihantsiana ataon’ny mpitondra izao, no làlantsaina hizoran’ny mpanohitra, ka hahilika lavitra ny fitiavan-tena sy fitiavan-kely.