EDITO 1 Aprily – Diso mpitondra ny vahoaka – Tratry ny fitondrana mitanila ny Malagasy

Sôh’son

Izao fitondrana Rajoelina izao no mby amin’ilay teny ao anaty Baiboly hoe: ny sombin-kazo eny amin’ny mason’ny olona no hitany, fa ny andry eo amin’ny masony tsy hitany. Maneho izany ny zava-mitranga ataon’izao fitondrana izao. Ny farany teo, ny nanakianany ny loko ampiasain’ny depiote Siteny entiny mitety faritra samihafa eto amin’ny Nosy, sy indrindra ny nisian’ilay loko mifanandrify amin’ny izany ampisainy izany amin’ilay tsangambato ao Antsirabe, natao ho fahatsiarovana ny andron’ny 29 Martsa. Miharihary anefa ity lokon’ny fitondrana mipetaka etsy sy eroa sy indrindra amin’ny tranom-panjakana hatramin’ny sekoly, izay tsy tokony anaovana izany velively, fa mampifangaro ny seha-panabeazana amin’ny resaka politika. Efa hadisoana lasa lavitra be izany kanefa tsy miteny na kely aza momba izany ireo olon’ny fitondrana nanakiana ny lokon’ilay depiote manomboka ampiasainy amin’izao fotoana izao.

Tsy atao hahagaga mihitsy aloha ny amin’izany, raha hoan’izay mahafantatra tsara ny fomba fiasa ratsin’izao fitondrana izao. Ny fomba ratsiny, izy afaka manao amin’ny zavatra iray, ohatra, fa ny hafa izay te hanao mitovy amin’izany, dia sakanana. Anisan’izany, ny sakantsakana manjo ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) tamin’ny toerana maro samihafa, eny na dia any amin’ny toerana an’olon-tsotra manokana aza. Nanomboka teo Ambohijatovo io fomba ratsiny io. Izy nitokana azy ho toeran’ny demôkrasia, dia nankeo nandrodana sy nanongam-panjakana ny taona 2009, fa taorian’izay, rehefa azony ny fitondrana dia nofoanany io toerana io ary tsy misy mahazo mankeo intsony maneho hevitra. Niitatra tamin’ny sehatra maro samihafa io fihetsika ratsy io, izay manome môdely ratsy ny taranaka fara aman-dimby satria i Madagasikara dia nampizorana ho amin’ny lalana Repoblikana, sy taty aoriana sy mandraka ankehitriny ny momba ny demôkrasia. Efa nitranga ihany koa ny toe-javatra toy izany tamin’ny fotoanan’ny krizy ara-pahasalamana 2020-2021 ireny, tamin’ny fanakantsakanana ny hafa. Mbola nitohy sy iaraha-mahita tsara izany tato ho ato, toy ireny nanjo ny vehivavy TIM Analamanga teny amin’ny Magro ireny ny andron’ny 8 Martsa lasa teo. Hita etsy sy eroa koa izany ao anatin’izao fotoana mialoha ny fifidianana izao, izy afaka mangalatra fiaingàna (départ), ny hafa feheziny tsy afa manao hetsika fanentanana hijery ny anarany amin’ny lisi-pifidianana any amin’ny fokontany.

Namaritra araka izany ny mpamakafaka politika, fa ity fitondrana Rajoelina ity, dia fitondrana mitanila, miangatra, fa tsy mampitovy lasitra iray ny rehetra. Fomba fiasa ratsy toy izany, tsy hahasoa ny vahoaka malagasy velively sy hamotika mihitsy aza, fa lainga sy famitahana fotsiny ny filazany hoe firaisankina. Diso mpitondra ny vahoaka ny vahoaka malagasy…