Anosy (Solimotel, 31.03.2023) – Fanambarana nataon’ny G5 mikasika ny fifidianana 2023

Ny Valosoa

Araka ny fivoriana natao ny 21 Febroary 2023 dia tapaka fa nitambatra ho vondrona iray antsoina hoe G5 ireto vondrona politika ireto: RMDM, HIFIM, PANORAMA, DPHM, HVM.

Toy izao ny fomba fijery itambarana:
1- manaiky ny G5 fa ny vahoaka malagasy no masi-mandidy sy tompon’ny fahefana eto amin’ny firenena arak any rafitra repoblika demokratika;
2- tsy maintsy tanterahina amin’ity taona 2023 ity ny fifidianana filoham-pirenena ho fanajana ny Lalampanorenana;
3- mialoha izany anefa dia tsy maintsy tanterahina ny fikaonandoham-pirenena andraisan’ny rehetra anjara handinihana sy hitadiavam-bahaolana ireto manaraka ireto: lalam-pifidianana, lisi-pifidianana ary ireo rafitra mikarakara ny fifidianana eken’ny rehetra, CENI, HCC, mba ho vahaolana;
4- handinihana ny ho fanarenana ny firenena izay latsaka lalina anaty fahantrana sy krizy lalipaka miverimberina.

Noho izany:
1- miantso ny fitondram-panjakana mba handray ny andraikitra tandrify azy araka ny voalazan’ny Lalampanorenana araka ny voalaza ao amin’ny andininy faha-61;
2- miantso ireo ray amandreny ara-panahy sy ara-drazana mba hijoro ho mpanelanelana;
3- miantso ny hery velona rehetra sy ny vahoaka malagasy mba hanambatra ny hery handray an-tanana ny hoavin’ny firenena sy ny taranaka fara aman-dimby;
4- miantso ireo vondrona iraisampirenena hanolo-tanana hahatongavana amin’ny tanjona iombonana hisian’ny fitoniana.

Antsoina araka izany ny hery velona rehetra eto amin’ny firenena, ny vahoaka malagasy mba hiaraka hifandinika an-databatra boribory amahantsika an’izao krizy misy eto amin’ny firenentsika izao.

Natao teto Antananarivo, ny zoma faha-31 martsa 2023

(FB Arphine Rahelisoa https://www.facebook.com/story.php?story_fbid=pfbid027dYZUphdUMGP4hpbxEiK6asRMoT6faV6aMcfgG2vkT7QU9n3VzpiR4dSxMHEKyMBl&id=100022624896995)