Fisoratana anarana anaty lisi-pifidianana – FFKM – Antso avo ho an’ny Malagasy rehetra tsy vaky volo

Nanapa-kevitra ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara na ny FFKM fa hanao antso avo amin’ny vahoaka Malagasy tsy vaky volo. Tsy ny vahoaka ato anaty ny FFKM ihany, tsy ny vahoaka Kristiana ihany fa amin’ny vahoaka Malagasy tsy vaky volo, mba hanao ny maha-zava-dehibe ny maha-olompirenena azy ka hiady fo mihitsy hanao izay hahatonga azy ho voasoratra anarana ara-dalàna amin’ny lisi-pifidianana mba handray anjara tsara sy mavitrika ao anatin’izany zotram-pifidianana izay atao izany
Miantso ny vahoaka malagasy manontolo ny FFKM mba ho olom-pirenena vanona sy tomponandraikitra.

Adidintsika, hoy ny filohan’ny ny mijoro fa firenentsika ity, dia isika no sarotiny amin’ny zotram-pifidianana izay atao. Hoy izy nanampy: “Hamarino ny anaranao any amin’ny lisi-pifidianana, misorata anarana any ianao, ary rehefa tonga ny fifidianana, mandraisa anjara ianao, ary rehefa atao izany zavatra izany mirotsaha ianao handray andraikitra arak’izay manandrify anao mba ahatanteraka izany ho amin’izay tena ahasoa ity tanindrazana iombonana ity”.

Dieny izao dia naneho fisaorana ny tenany ho an’izay rehetra miombona amin’ny FFKM amin’izany antso izany, na eo amin’ny fitondram-panjakana izany na ivelan’ny fitondram-panjakana.