EDITO 30 Marsa – Nilamina ny fahatsiarovana ny 30 martsa 1947

Isambilo

Nilamina ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana tamin’ny 29 martsa 1947, 76 taona lasa izay manerana ny Nosy omaly. Amin’ny fotoana toy izao, tsy nahazo atao ny nivarotra zava-pisotro mahamamo, tsy fety tsy akory no atao nanamarihana ity fahatsiarovana ity, satria Malagasy an’hetsiny maro no lavon’ny mpanjanatany Frantsay tamin’izany fotoana izany, noho ny fitiavan-tanindrazana tao amin’izy ireo nanoherana ny mpanani-bohitra sy ireo nibodo ny tanindrazany. Androm-pisaonana aza no tena marina no atao amin’izay fotoam-pahatsiarovana izay.

Tany Moramanga faritra Alaotra Mangoro no ivon’ny fanamarihana, araka ny vaovao voaray, somary nisavoritaka ihany ny fandaminana tany an-toerana tsy toy ny isan-taona, satria tsy natao teo amin’ny tsangambaton’ny mahery fo ny lahateny nifandimbiasana, fa tany amin’ny tobina mpitandro filaminana. Anisan’ny nahitana fanoherana mavaivay ny Frantsay koa ny tany amin’ny faritra Fitovinany sy Vatovavy tamin’izany fotoana, nisy koa arak’izany ny fahatsiarovana natao tany Manakara, ny tany Ikongo, ny tany Mananjary,… samy nisy an’izay ihany koa manerana ny Nosy.

“Tolom-panafahana, firaisankina ho an’ny fitiavan-tanindrazana”, no loha-hevitry ny fanamarihana tamin’ity taona ity. Somary very na manjavozavo ihany izay fitiavan-tanindrazana izay ankehitriny, indrindra ho an’ireo mpitondra eto amintsika, satria tsy fitiavan-tanindrazana no misy amin’izy ireo, fa fitiavantena, fitiavam-bola, fitiavan-karena tafahoatra, fitiavana sehoseho sy deradera, ny zava-bita tena anasoavam-bahoaka izay tompon’ny fahefana anefa tsy misy, satria iaraha-mahita ankehitriny fa tena sahirana ny vahoaka sy ny firenena, tsy mahita vahaolana amin’izany ny mpitondra.