FIFIDIANANA 2023

Hatreto aloha ny fifidianana dia tsy anaty fandaharana,
Fa ny fibodoana seza no efa toa manarangarana.
Ny hanalava taom-piasana, tena izany no ketrehina,
Ary ireo mandà izany dia ezahina potehina!

Misy ireo izay namoronana taratasy fiampangana.
Re fa hoe manohintohina ny ao anaty fitondrana.
Sakantsakana hatrany, fandrahonana tsy ferana,
No mahazo ireo voalaza fa avy amin’ny fanoherana!

Irony sezan’ny mpitondra, hita ny fihozongozony,
Ka hatramin’ny solombava no indro raisina amin’ny vozony.
Tena fihetsika voarara, nefa ataon’ireo zandary.
(Sao ny sain’ny ireo lehibeny no efa hita ho marary?)

Hatreto aloha ny fifidianana dia toa nofinofy ihany.
Valo volana no isaina, maro ireo mifanontany.
Hatreto mantsy raha ny sary, indrindra indrindra koa ny feo,
Dia toa tsy miomana amin’izany ry zareo mpitondra ireo.

…Fa ny hiletra sy hitavana, izay no kajy efa voarindra,
Sy ny hoe “fitiavan-tseza”, io no lehibe indrindra!

DADAN’i RIANA (26-03-23)