Mananara Avaratra- Manentana momba ny lisi-pifidianana ny Coach TIM Analanjirofo

Stefa

Manentana momba ny lisi-pifidianana, any amin’ny distrikan’i Mananara Avaratra faritra Analanjirofo amin’izao fotoana, ny Coach TIM Analanjirofo, ny depiote teo aloha Rasomotra, na Mananjara Fidison. Ny zoma teo, tao amin’ny Kaominina ambonivohitra Mananara-Nord izy sy ny ekipa tarihany, nanofana sy nanangana ny rafitra ho enti-miatrika ny fifidianana ho avy, amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) any an-toerana. Nanentana koa izy ireo ny olona, mba hazoto hiditra ao anaty lisi-pifidianana. Ny sabotsy teo kosa indray, nametraka ny lamina sy fanofanana amin’ny fananganana ny Comite de vigilance izy ireo, tany amin’ny kaominina Manambolosy, ao anatin’ny distrikan’i Mananara Avaratra ihany. Nanotrona azy tany an-toerana kosa ny filohan’ny Jeune Tim distrika Mananara-Nord Berchon Lahy. Tany amin’ny kaominina Imorona, distrikan’i Mananara-Nord indray izy ireo avy eo, mbola manodidina ny fanentanana amin’ny resaka fiatrehana fifidianana ihany, no niarahan’izy ireo tamin’ireo mpitarika TIM tany amin’izany toerana izany.