Faha-76 taonan’ny 29 martsa 1947 – Nanatrika ny vavaka nataon’ny FFKM ny Filoha Ravalomanana mivady

Isambilo

Ho marihina rahampitso alarobia 29 martsa, ny faha-76 taonan’ny tolom-panafahana tamin’ny 29 martsa 1947 manerana ny Nosy. Noho izay fanamarihana tsingerin-taona izay, nisy ny fotoampivavahana iraisam-pinoana ho fahatsiarovana ireo maherifon’ny firenena tamin’izany fotoana izany, fotoambavaka lehibe nokarakarain’ny FFKM tao amin’ny Katedraly FJKM Analakely ny alahady teo. Nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana ny filoha Marc Ravalomanana mivady. Efa ny 22 martsa lasa teo, no nanomboka ny hetsika samy hafa, ho fahatsiarovana ity tolom-panafahana nataon’ny MDRM tamin’izany fotoana izany ity, tolona izay namoizana aina malagasy an’hetsiny maro naripaky ny mpanjanatany Frantsay. Ny fanirian’ny maro ankehitriny, mba tsy ho very maina fotsiny ny rà nalatsak’ireo martiora tamin’izany, fa tena hipaka amin’ny vahoaka rehetra ny fampandrosoam-pirenena.