FJKM Analakely (26.03.2023) – Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana notarihin’ny FFKM ho fahatsiarovana ny tolom-pahafahana

Ny Valosoa

Tontosa tetsy FJKM Analakely ny alahady 26 martsa lasa teo ny fotoam-pivavahana iraisampinoana hanamarihana ny faha-76 taona ho fahatsiarovana ny tolom-pahafahana tamin’ny taona 1947.

Ny lohahevitra nosafidiana amin’ity taona ity dia “Tolo-pahafahana, firaisankina ho an’ny Tanindrazana”.

Raha nandray fitenenana ny filohan’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM) Pasitera Ammi Irako Andriamahazosoa dia izao no hafatra nampitainy:
“L’histoire nous apprend que nous n’avons rien appris de l’histoire. Mba tsy ho marina re izany fa ny tantara tsarovintsika anie hanova ny tantara ankehitriny.

Nanamafy ny FFKM fa handray anjara mavitrika amin’ny fananganana ny andrimason’ny FFKM indrindra amin’izao ankatoky ny fifidianana izao.

https://www.youtube.com/live/ejMJG7-N2yM?t=378