Fiarovana ireo varika – Azo lazaina ho nahomby ny tetikasa SOS Lemur nandritra ny 5 taona

Aly

Atrikasa notanterahana teny amin’ny Hotel Panorama Andrainarivo, no namaranana ny tetikasa SOS Lemur, tetikasa naharitra 5 taona, ho fiarovana ireo varika eto amintsika. Nandritra izany atrikasa nandritra ny 3 andro izany no nanaovana tombana sy jery todika ity tetikasa ity, niarahan’ireo mpisehatra amin’izany sehatra izany, sy ireo mpamatsy vola.

Nisongadina araka ny nambaran’ireo anisan’ny tompon’andraikitra amin’ity tetikasa SOS Lemur ity, Profesora Jonah Ratsimbazafy sy Dr Sylviane Volampeno, fa fahombiazana ny nanatanterahana izany tetikasa fiarovana varika izany teto amintsika nandritra izay 5 taona izay. Nihena hoy izy ireo ny fihazana varika amin’ny toerana fonenan’ireo biby arovana ireo, nihena ny fitrandrahana ala, nihena ihany koa ny doro tanety tamin’ireny toerana ireny. Fikambanana miisa 49 no niara-niasa tamin’ny tetikasa SOS Lemur ary saika nisy azy ireo ny faritra 23 eto amintsika, izany hoe tamin’ny toerana miisa 28 no tena nisian’ny fiaraha-miasa tamin’ny mponina eny ifotony.

Azo lazaina ho nahomby ny tetikasa, satria nahazo tombontsoa tamin’izany ny vondron’olona ifotony tamin’ny alalan’ny fanampiana ny velontenan’izy ireo, ka tsy nitrandraka ala intsony izy ireo, fa nanatanteraka tetikasa toy ny fiompiana akoho, fiompiana tantely, sns… Namatsy vola izany nandritra ny 5 taona ny IUCN sy ny avy any Suisse.

Avy amin’ny atrikasa notanterahana ny herinandro lasa teo io, no hijerena na mbola hotohizana mandritra ny 5 taona manaraka indray ny tetikasa SOS Lemur, satria tsy vita 5 taona ny fiarovana varika sy fiarovana tontolo iainana izany, hoy ireo tompon’andraikitra.