Ankadimbahoaka, By-Pass sy ny manodidina – Mbola hitohana be ny fifamoivoizana amin’ity herinandro ity

Aly

Mbola hitohy hitohana be ny fifamoivoizana amin’ny faritra Ankadimbahoaka, By-Pass sy ny manodidina iny amin’ity herinandro ity. Araka ny voalazan’ny ao amin’ny ministeran’ny asa vaventy, mbola hitohy amin’ity herinandro ity ny fanaboaran-dalana amin’izany toerana izany.

Araka ny fanambarana nataon’izy ireo:”ny Minisiteran’ny Asa Vaventy dia mampahafantatra ny be sy ny maro, fa mbola mitohy ny asa fanamboarana ny lalana mampitohy ny rond-point Ankadimbahoaka sy rond-point By pass. Efa eo ampanaovana ny asa famaranana (finition) ny orinasa ary hiverina hisokatra amin’ity herinandro ity io ampahan-dalana io. Ny Minisitera dia mametraka ny fialan-tsiny amin’ny fanelingelenana sy fikorontanana aterik’izany fanapahana izany.”

iteraka fahasahiranana ho an’ny rehetra mampiasa izany lalana izany tokoa io fahatapaha-dalana io, satria mitohana tanteraka ny fifamoivoizana miainga avy any Tanjombato, mihazo an’Ankadimbahoaka, mahazo ny avy any Iavoloha sy ny avy any Alasora sy Ambohimangakely iny koa, toy izany koa ireo hivoaka ny renivohitra, hihazo ny lalampirenena faha-7 dia sahirana tanteraka noho ny fitohanana lavareny.

Heverina fa mba ho vita tsara amin’izay izany lalana izany, satria raha ny lalana vita teo aloha, tsy naharitra herintaona akory izany lalana izany dia potika tanteraka, ka niteraka fahasahiranana ho an’ny mpampiasa azy hatramin’izay nahasimbany izay.