EDITO 28 Marsa – Raharaha Lôla Rasoamaharo – Naneho ny fitanilan’ny fitsarana Malagasy indray

Ny Valosoa

Naneho ny fitanilana misy eo anivon’ny fitsarana Malagasy indray, ny raharaha Lôla Rasoamaharo nitranga ny faran’ny herinandro teo. Tsy ampy 24 ora akory dia nidodoka avy hatrany tany Antanimora ity filoha tale jeneralina orinasan-gazety an-tsoratra ity, rehefa avy niatrika tao anivon’ny fampanoavana. Misy anefa raharaha andro maro, na am-bolana mihitsy vao miakatra fampanoavana, na tsy tafakatra ao anivon’izany sampam-pitsarana izany mihitsy aza. Manontany tena noho izany ny olom-pirenena, rehefa raharaha toy ny ahoana no haingana toy izay nitranga ny sabotsy teo ny fandehan’ny raharaham-pitsarana, rehefa inona dia ampitarazohana?

Raha hiverenana ny raharaha Lôla Rasoamaharo, ny sabotsy tamin’ny 1 ora maraina izy no nosamborin’ny zandary. Tamin’ny 12 ora atoandro ny sabotsy io ihany no nanaovana Perquisition na fisavana ny tranony. Sabotsy tamin’ny 3 ora sy sasany tolakandro nentina teny amin’ny fitsarana, tsy nisy afa tsy izy irery ihany no noraisina ny sabotsy tolakandro, ary tokony ho tamin’ny 8 ora latsaka tamin’ny alin’iny ihany no nalefa teny Antanimora.
Ny pejy amin’ny facebook manohana fitondrana, no namoaka ny secret de l’instruction na ny tsiambaratelon’ny famotorana voalohany ary dia lainga avokoa no navokan’ireo pejy rehetra, satria nolazaina fa nanao chèque sans provision i Lôla. Ny mpitory anefa dia nilaza zavatra hafa tanteraka.

Raha tahak’izao daholo no anaovana ny raharaham-pitsarana, afaka miasa sabotsy ilay fitsarana, afaka miasa amin’ny andro alina dia vitsy ny olona hanana olana eny amin’ny fitsarana.

Firy amin’ireo olona no migadra amin’ny zavatra tsy nataony, dia lazaina hoe mbola manao fanadihadiana ny fitsarana dia any dia any, mivalona ho azy ny afera sasany,… I Lôla anefa noho ny teny midina, nofonjaina tamin’ny hafainganam-pandeha TGV!