Fifidianana 2023 – Vata fandatsahambato « volomboasary » – Ô ry CENI ô, handeha ho aiza ity ‘nareo ?

Ny Valosoa

Nandritra ny fivoriana nanasan’ny CENI ireo mpanao politika, fiarahamonimpirenena, masoivoho, fikambanana, governemanta teny Alarobia (Novotel) ny alakamisy 24 martsa dia nisy zavatra nanintona manokana ny mason’ny avy amin’ny mpanohitra. Nitatitra izany ny filoha lefitry ny RMDM, Edouard Tsarahame, nandritra ny fifampiharahabana tratry ny taona teny Ambatolampy Ambohimanarina ny ampitsony.
Nahatsikaritra izy ireo fa misy famantarana manokana na “logo” ampiasain’ny CENI amin’ny vata fandatsahambato na ny “urne”, sarina voninkazo miloko volomboasary. Tsy vitan’izay ihany fa ny valopy izay alatsaka anaty vata fandatsahambato dia miloko volomboasary koa. Kanefa tsy tokony hisy mihitsy izany endrika hahitana taratra lokon’antoko izany amin’ny fananam-panjakana, ary indrindra moa amin’izany fitaovam-pifidianana izany.

“Ô ry CENI ô, handeha ho aiza ity ’nareo ary atao inona ity firenena ity?”, hoy izy.

Ary rehefa nanontaniana ry ’zareo CENI izay milaza fa mahaleo tena sy tsy mitanila, hoe inona no mahatonga ity loko volomboasary ity dia izao no navaliny: « doré » hono no nampidirina tao amin’ny ordinateur dia « orange » no nivoaka!

Hafahafa ihany an! Dia azo saintsainina sahady izany fa rehefa ho avy ny fifidianana dia ho hafa ny voka-pifidiana ampidirina anaty “ordinateur” ary rehefa mivaoka avy ao ny tarehimarika dia mivadika biby.

Hoy i Edouard Tsarahame: “Dieny izao izahay dia mampitandrina, ny vato no azonareo aodinkodina fa ny safidinay dia tsy azon’na iza na iza aodinkodina!”

(Rohy FB)
https://m.facebook.com/story.php?story_fbid=pfbid02MPKbPRvUVitcSYDSGrVZdBBhc8davYEyeeLPwnmXobFADmEMZJkB3UR4SPpjC8k3l&id=100022624896995