Ambohimanarina, Mahitsy, Ankazobe – Nangorom-potsy sy nidorehitra mena izay nolalovan-dRavalo

Isambilo

Tao aorian’ny teny Ambatolampy Ambohimanarina Boriboritany faha-6 ny sabotsy teo, nihazo ny lalampirenena faha-4 indray omaly ny filoha Marc Ravalomanana, filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, sady filoha nasionalin’ny antoko TIM. Nandalo an’i Mahitsy distrikan’Ambohidratrimo izy sy ny mpiara-dia aminy, ary nipaka hatrany Ankazobe.

Fa ny sabotsy, hetsika fifampiarahabana tratry ny taona no natao tany amin’ny trano fonenan’ny depiote Todisoa Andriamampandry, fotoana koa izany, nanentanana ireo rehetra tonga tao mahakasika ny resaka fifidianana, indrindra ny fisoratana anarana amin’ny lisi-pifidianana aloha mialoha ny zava-drehetra. Naneho indray ny maha iray ihany ny antoko TIM koa ny hetsika ny faran’ny herinandro teo iny, tonga tao avokoa ny avy amin’ny birao polikan’ny antoko, nahitana ny sekretera jeneraly Rina Randriamasinoro sy ny mpandrindra nasionaly Jean Claude Rakotonirina, ireo depiote voafidy tamin’ny anaran’ny antoko TIM, na ireo mpanao ny Miara-manonja amin’ny radio sy televiziona MBS ary ny Radio Mada, tarihan’ny filohan’ny vondrona parlemantera TIM: Fetra Ralambozafimbololona, na ny mpanentana ny fandaharana Miara-manonja amin’ny Az Radio, nahitana ny depiote Fidèle Razarapiera sy Rodin Rakotomanjato.

Nangorom-potsy sy nidorehitra mena ny teny Ambatolampy Ambohimanarina tamin’io fotoana io. Nanamafy ny filoha Marc Ravalomanana nandritra izany, ny hanatonan’ireo mbola tsy voasoratra amin’ny lisi-pifidianana eny amin’ny fokontany, lalàna no tsy maintsy hanatanterahana ny fifidianana amin’ity taona ity hoy izy, ka tokony tsy maintsy ho tontosaina izany, misy anefa ireo tokony hahitsy mahakasika ny lalàmpifidianana, ka tsy maintsy ilana fikaonandoha.

Na tao Mahitsy, na tany Ankazobe, vory lanona ihany koa ny olona tany an-toerana, nihaino sy nifampitafa mivantana tamin’ny filoha nasionalin’ny antoko TIM. Tena sahirana izahay hoy ny feo avy amin’izy ireo, ka mila anao Dada, hanavotra ny vahoaka sahirana sy ny firenena indray. Toy ny tao Ambatolampy Ambohimanarina, nangorom-potsy sy nidorehitra mena ihany koa ny tany Mahitsy sy Ankazobe.