Raharaha Lôla Rasoamaharo – Na gadraina ny mpanao gazety, misy foana ny gazety

Ny Valosoa

Hita fa tena misy ambadika politika ny raharaha nampidirana am-ponja ny filoha tale jeneralin’ny gazety La Gazette de la Grande Ile, Lôla Rasoamaharo. Antony iray anaporofoina izany, farany izay haingana ny nampakarana azy tao anivon’ny fampanoavana sy ny nampidirana azy eny am-ponja. Misy ny raharaha maro mitarazoka amin’ny fitsarana, fa ity raharaha ity farany haingana, midika fa misy ambadika poltika izany, noho ny gazety izay tantanan’i Lôla, manakiana ny rehetra izay manao ny tsy mety eto amin’ny firenena, na ny mpomba na ny mpanohitra ny fitondrana, na ny tsy momba ny atsy na ny aroa,… Na eo aza izany antsojay sy ramatahora ary karazana tsindry atao amin’ny mpanao gazety izany, noho ny fampidirana am-ponja ity zokibe eo amin’ny asa fanaovan-gazety ity, nilaza ny gazetiny fa tsy hihemotra izy ireo fa vao mainka hijoro hilaza ny marina. Na gazety tokoa misy foana, na gadraina azan y mpanao gazety.

FAJM

Mahakasika ity raharaha ity, misy ny fanambarana avy amin’ny FAJM, na ny “Fédération des Associations des Journalistes Malagasy”: ”manoloana ny tranga izay niseho ny faran’ny herinandro teo, mikasika ny fisamborana sy ny famonjana vonjimaika ny Filoha Tale Jeneralin’ny La Gazette de La Grande ile. Mijoro ny Federasiona iraisan’ny Fikambanan’ny mpanao gazety eto Madagasikara, maneho ny ahiahinay. Manameloka ny fisamborana mpanao gazety, ny fanohintohinana mivantana na ankolaka ny orinasan-gazety. Tsy mitsabaka amin’ny raharaham-pitsarana izahay, fa anjaran’ny voakasik’izany na ny mpitory na ny toriana, sy ny mpisolovava azy ireo, no mitondra ny fiarova-tenany. Raharaha manokana tsy misy idiran’ny asa fanaovan-gazety ny ambara fa fototry ny fitoriana azy, raha jerena indray mielatra, rehefa tena fotorana akaiky sy lanjalanjaina daholo anefa, dia mampanahy ny zava-misy. Mifototra amin’ny mety ho fiantraikan’izao zava-misy izao amin’ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra eto amin’ny firenena ny ahiahinay. Ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra izay hita miharihary fa efa miha-tery sy miha-sarotra hatrany. Manahy izahay fa misy dian-tanana politika ao ambadik’izao raharaha izao. Miendrika ramatahora sy fampihorohoroana, atao amin’izay mahasahy miteny ny zava -misy eto amin’ny firenena, ny zava-misy. Manahy izahay, sao dingana hirosoana any amin’ny fanakatonana, na fanampenam-bava ny orinasan-gazety ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Tranga izay midika ho fanasaziana ny olom-pirenena rehetra manan-jo hisitraka vaovao maro lafy. Noho izany, manambara etoana izahay fa manaramaso ary mijery akaiky ity raharaha ity.”