Alarobia (Novotel, 24.03.2023) – Roland Ratsiraka – Nandrivorivo ny “tehamaina” nahazo ny ministra Lalatiana

Ny Valosoa

Teo anatrehan’ny ray aman-dreny am-piangonana (FFKM), ny masoivoho vahiny, ny fiarahamonimpirenena, ny antoko politika maro samihafa sy olona maro hafa koa, raha nandray fitenenana ny solombavambahoaka Roland Ratsiraka nandritra ny fivoriana lehibe mikasika ny fizotran’ny fifidianana, nokarakarain’ny CENI tetsy Alarobia ny 24 martsa 2023, dia nahitsy ny teniny ary naneho ny hatezerany mahakasika ny fanakatsankanana sy antsonjay maro ataon’ny fahefana mpitondra amin’ireo mpanao politika mpanohitra. Samy nahazo ny anjarany na ny ministry ny atitany teo aloha, Pierre Holder Ramaholimasy, na ny ministry ny serasera Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo. Hoy indrindra izy:
“Monsieur le ministre, ianao ministry ny atitany taloha, avelao ny olona mamory vahoaka a!… avelao!… Io ihany no efa notsikeraina tamin’ny fitondrana teo aloha, izay nianjera, dia mbola ataonareo ihany indray izy ankehitriny. NON!

Maninona no mahazo mamory vahoaka madama Lalatiana?… pourquoi?… et moi, Roland Ratsiraka, 25 ans de vie politique, je n’ai pas le droit de réunir QUI QUE CE SOIT??!!… NON! NON!…

Fa maninona ianao, olona tsy voafidy hatramin’izay, JAMAIS, fa maninona ianao mahazo mamory vahoaka ary izahay tsy mahazo? Mba hazavao ahy kely hoe inona no antony!”.

Dia ho hita eo raha ho fay sy hahay hihaino izay hafatra izay ity fitondrana Rajoelina ity sa hanao be marenina sy hanohy ny didin’ny be sandry.

https://www.youtube.com/live/qctMJvN6hl0?t=2933