RY MPAMPIASA KAONTY FAKO

Kaonty fako hatrany hatrany no fitaovana ampiasaina,
Ho an’ireo mpitondra vendrana efa an-dalam-pialana aina.
Ireny no hamafazan-dainga sy entina mirehareha,
Rehefa injay efa tsaroana ho tapi-dalana haleha!

Ry bemolotra no havanana amin-javatra toy ireny.
Maro ireo nokaramainy mba hihiaka sy hiteny.
Saingy zavatra tsy marina, izany hatrany no afafiny,
Hamelezany ny hafa izay atsangany ho rafiny!

Kaonty fako no indreny fa maniry toy ny anana,
Hamotehana ny hafa mialoha ny fifidianana.
Tsy dia zava-mahataitra, tetika mirefarefa.
Ny hany tokana ho voafitany dia ireo « zefa tena zefa »!

Ireo olona efa tonga saina, tsy ho voafitaka intsony,
Fa mahay mikombom-bava, mba tsy haloto ny ao am-pony.
Tsy ny “vavabe” akory no hibatana fandresena,
Mainka ireny no hitsarana ireo tsy manam-pahendrena!

…Ka mahaiza re mandinika ary koa mitsakotsako
Ry mpandainga tia miafina ao anaty kaonty fako,
Fa “ny marina tsy maty” sady vonona handresy,
N’inona n’inom-panenjehana na koa fingana misesy!

TSIMIMALO (24-03-23)