Antohobe Betafo faritra Vakinankaratra – Misy mangalatra ny karazam-bokatra eny an-tsaha

Ambinintsoa

Mirongatra indray ny halabotry ao amin’ny kaominina ambanivohitra Antohobe, distrikan’i Betafo faritra Vakinankaratra tato anatin’ny iray volana farany izay, ka mampitaraina ny mponina any an-toerana. Ankoatra ny vaky trano, ka mahavery ireo fitaovana sy kojakoja an-tokantrano isankarazany dia lasibatra ihany koa ny vokatra any an- tsaha, nanomboka tamin’ny voalohandohan’ity volana martsa ity. Otazan’ireo olon-dratsy avokoa rehefa vokatra miakatra, ka taorian’ny fahaverezan’ny tsaramaso sy ny katsaka dia ny vary an- tanety indray no lasibatra, raha araka ny filazan’ny solontenan’ny mponina avy ao amin’ny fokontanin’ny Mahateloana izay nanao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny mahakasika ity tsy fandriampahalemana mampitondra faisana ny tantsaha any an-toerana ity.

“Voly nisasarana nandritra ny volana maro, nandaniana vola sy fotoana sy efa mba antenaina hiatrehana ny fiainana andavanandro no afoy ao anatin’ny fotoana fohy,” hoy hatrany ny fitarainany.

Mpamosavy malemy

Manao fiambenana hatrany ireo mponina any an-toerana hatramin’izay nampirongatra ny tsy fandriam-pahalemana izay, saingy tsy mahasakana ireo mpanao ratsy izany. Vao dify kely fotsiny ny mpiambina na raha vao lasa ny tompon’ny voly dia milatsaka avy hatrany ireo olon-dratsy. Ahiana ho mponina ao an-toerana ihany araka izany no manao mpamosavy malemy ka manao ity asa ratsy mampitondra faisana ny mpiaramonina aminy ity.

“ Miara-mivory sy miara-miambina aminay ao ihany ireo tontakely, ka tsy mahagaga raha mahafantatra amin’ny antsipirihany ny paik’ady sy ny fandaharam- potoanan’ny eto an-tanàna,” hoy hatrany ny loharanom- vaovao izay tsy nisalasala naneho ny hatezerany, ka nampitandrina ireo mpanao ratsy ny amin’ny mety ho vokatry ny hatezeran’ireo mponina.

Ankoatra ny halabotry dia isan’ny tanàna lalovan’ny jiolahy matetika ihany koa ity fokontanin’ny Mahateloana, izay lalovan’ny lalam-pirenena faha 34 ity. Vao herinandro lasa izay no nolalovan’ny andian- jiolahy manodidina ny 30 isa indray tao an- toerana. Vaky nandositra ny mponina raha vao nahita azy ireo, saingy na toa efa nibaboka mialoha sahady aza izy ireo dia mbola nanehoan’ireo jiolahy ny heriny tamin’ny alalan’ny tifitra variraraka ihany. Soa fa tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra.