Fihaonana nokarakarain’ny CENI – Mitaky fifidianana madio sy marina eken’ny rehetra ny mpivory

Isambilo

Tontosa omaly teny amin’ny Novotel Alarobia-Ivandry ny fihaonana nokarakarain’ny CENI, momba ny resaka fifidianana ho avy, dinika sy fifanakalozan-kevitra nokarakarain’ity vaomieram-pirenena ity manodidina ny fifidianana, hisian’ny voka-pifidianana madio sy marina ary eken’ny rehetra. Voaasa tamin’izany ny antoko politika, ny fiarahamonimpirenena, ny masoivoho vahiny eto Madagasikara, ny fiangonana toy ny avy amin’ny FFKM sy ny hafa.

Betsaka ny fampanantenana tao anaty ny kabary fanokafana nataon’ny filohan’ny CENI, Dama Andrianarisedo milaza, fa adidiny sy andraikiny ny mandrindra sy miantso amin’ny fikaonandoha sy fifampiresahana, hoy ny filohan’ny mpanohitra Marc Ravalomanana. Raha ny fahitana avy ivelany dia toa efa vonona ny CENI hametraka ny fepetra sy lalàna rehetra tokony hilaminan’ny fifidianana. Kanefa ireny, hoy izy, noenjehina izahay tany Itaosy, ka asa indray na ho enjehina rahampitso. Te-hiteny rehefa avy eo hoe tena marina ve ny teninao sa tsy marina? Fanombohana izao, ilaintsika, ary rehefa miasa miaraka vao ahitantsika azy. Raha mandainga izy dia hitan’ireo ray aman-drenim-piangonana sy ireo vazaha teo hoy ihany ny filoha nasionalin’ny TIM sy ny rodoben’ny mpanohitra RMDM. Izay ilay hoe ho hitan’ny havany eo.

Ankoatra izany, raha nanontany ny mpanao gazety hoe: ampy anetrahana fifidianana mangarahara ve ny hetsika ataon’ny CENI, dia namaly ny filohan’ny mpanohitra fa matoky izy raha toa ka miditra ao ny FFKM. Noho ny lalana ratsy hoy izy dia ho sarotra ny fanentanana, fa isaky ny fokontany kosa dia misy ny FFKM, ka tsy hanahirana raha miditra izy ireo. Ireo rehetra nandray fitenenana nandritra izany ihany koa dia samy nanambara ny tokony hisian’ny fifidianana madio sy marina, mangaraharaha, mba ho eken’ny rehetra ny fifidianana hatao amin’ity taona ity.