Avarabohitra Itaosy – Zandary nidaroka depiote, efa eny amin’ny fitsarana ny raharaha

Stefa

Nisy ny zandary nidaroka olom-boafidy depiote ny sabotsy lasa teo, tamin’ny hetsika nataon’ny antoko TIM teny Avarabohitra Itaosy, Antananarivo Atsimondrano. Noho izay fikasihan-tanana izay, nametraka fitoriana ny solombavambahoaka Feno Ralambomanana, depiote TIM ao amin’ny Boriboritany faha-3, manoloana ny herisetra nataon’ny mpitandro filaminana taminy amin’ny fandraisana vozon’akanjo sy ompa ny sabotsy lasa teo. Maneho tsy fanomezana hasina ny solombavambahoaka izany fomba fihetsika izany. Ny lalàna no hitsara ny rariny sy hitsiny amin’izany.

Misy sata manokana mifehy ny solombavambahoaka ary voasoratra anatin’ny karatra maha-solombavambahoaka azy fa: “didina ny manampahefana sivily sy miaramila hamela malalaka ny tompon’ity karatra ity handeha na aiza na aiza, ka hanampy sy hifarimbona aminy ka hampiasa hery raha ilaina”.

Saingy fampiasan-kery amina solombavambahoaka indray, no nataon’ilay raikalahy mpitandro filaminana. Midika fa toa efa mirefarefa amin’ny tany ireto herim-pamoretana baikon’ny fitondrana Rajoelina ireto.