Maratran’ny politika ny kitra Malagasy – Tsy atao hahagaga ny faharesen’ny Barea A ireny

Sôh’son

Ao anaty fitotonganana ankehitriny ny ekipam-pirenena Malagasy, ny Barea A. Niaraha-nahita ireny voka-dalao ratsy tamin’ny alakamisy ireny. Tsy asiana resaka intsony ny amin’iny, fa ny fositra miteraka izao fahavoazana izao, dia hoventesina indray eto, fa noho ny fampidirana ny resaka politika ao anatin’ny sehatry ny baolina kitra malagasy.

Efa niteny ihany izahay, tao anaty lahatsoratra teto amin’ity gazety ity, fa mandratra ny baolina kitra io fihetsika ataon’i Andry Rajoelina io, tamin’izy nivatravatra niteny tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny Federasiona (FMF) rehefa nigadona teny Ivato fa avy ivelany. Nanampy izany ny fiarovany ny toeran’i Nicolas Dupuis, nanoloana ny fanesorany ny filohan’ny FMF azy, ity farany izay tsy nitsahatra ny noenjehiny. Vao mainka ihany koa nanampy trotraka izany ny fikotrehan’ireo filohan’ny ligy maromaro nandona ny mpikambana ny FMF, ka nitady izao fomba samihafa hanoloana iry filohan’ny FMF noenjehina satria tany ivelany no nandositra nialokaloka. Tratran’ireo mpanenjika ny tanjona nokendreny tao anatin’izany.

Tsy azo isalasalana ihany koa, fa tafiditra tanteraka ny resaka politika. Maratra ny baolina kitra malagasy na dia niezaka ny tsy hahatongavan’izany aza ireo mpilalaon’ny Barea CHAN, dia izy ireny niaro ny voninahitr’i Madagasikara ireny. Mbola nitadiavan-kevitra indray anefa ny mbola nampidirana resaka politika taorian’izay. Raha tsy voaaro mafy koa izany dia hanara-dia ny nitranga amin’ny Barea A. Ny fanarenana aza izao mbola any an-kibon’ny omby, satria ireo mpampiditra resaka politika tsy mahay manao izany velively.

Mila sarotiny amin’ity taranja iray ity ny Malagasy tsy idiran’ny resaka politika. Io mantsy no azony ijapiana sy araraotina hakàna ny fon’ny vahoaka satria hitany fa misarika ny maro manerana ny Nosy io sehatra io. Niaraha-nahita tsara izany teny amin’ny kianjaben’Imahamasina ireny. Ny fitondrana ankehitriny, dia efa fantatra tsara, fa isarangotany avokoa izay azony isarangotana rehetra ahafahafana miseho amin’ny vahoaka fa miaraka sy mitsinjo ny vahoaka izy ary manao asa ho azy. Efa tara tanteraka mantsy izy amin’ny fampandrosoana ny firenena ary tsy tafavoaka mihitsy dia atao avokoa izay azo araraotina rehetra hanampena-maso ny vahoaka malagasy mba hahazoana ny fony. Tsy fahaizana mitantana firenena avokoa no fototr’izany rehetra izany.