25 taonan’ny Radio Fahazavana – Misy mpiasa tsy tafiditra anaty jobily

Ny Valosoa

Ny volana Septambra taona 1997 no niorina ny Radio Fahazavana. Eto Antananarivo ny foibeny ary niparitaka tany amin’ny faritany taty aoriana, toy ny ny tany Sambava, Toamasina, Ambatondrazaka ary Mahajanga. Radion’ny Fjkm izy io ary manaraka ny tondrozotran’ny foibe Fjkm dia ny hoe ho fampandrosoana ny olona rehetra sy ny olona manontolo.

Maro ireo tale efa nifandimby nitantana ny Radio tao anatin’ny 25 taona, ka ny mpitandrina Tiburce Soavinarivo no mitantana azy ankehitriny, raha Ravoahangiarison Didier no tale teo alohany. Rantsana ao amin’ny AFIFAB na Sampanasa Fifandraisana sy Fampahalalambaovao ny Radio toy ny sitweb, ny gazety Marturia Vavolombelona ankoatry ny FTV. Momba ireo mpiasa kosa, dia maro no nanao fiofanana ho mpiasan’ny Radio tany am-piandohana saingy vitsy no tafajanona. Santionany tamin’ireo mpiasa nanodina ny Radio Fahazavana tamin’izany i Nkaja Randrianarivo mpanao gazety izay efa ho tapitra ny fanamarihana ny jobily volafotsiny. Nanohy ny diany i Toky Rakotorisoa teknisiana, izay nosokafana teny amin’ny Fjkm Fanavaozana Manjaka Ilafy ny taom-pankalazana noho ny jobilly volafotsiny. Rahampitso Alahady dia mpiasa 6 mianadahy ihany koa no hanamarika izany eny amin’ny Fjkm Ankadifotsy.

Mbola misy mpiasa feno 25 taona niasana fa tsy tafiditra tao anaty fankalazana. Mbola hitohy moa izany fankalazana izany. Fa tsy hadino ny mpanao gazety Lolot Ratsimba izay efa nodimandry ny taona 2020 izay fantatra tamin’ny fandaharana Apenjiky niaraka tamin’i Jaona Raoly izay mbola mpanao gazety ao amin’ny Radio Fahazavana ankehitriny. Vao tamin’ny taona lasa koa moa no nodimandry Harivola Rakotoarison teknisiana, izay 25 taona niasana ihany koa. Ankoatr’izay, dia efa nisy mpiasa tao no lasa mpitandrina, niova taranja, lasa mpandraharaha, ary nisy ny tsy niverina intsony taorian’ny fikatonan’ny Radio Fahazavana, noho ny fanonganam-panjakana teto amintsika.

Raha tsiahivina, niverina nisokatra ny Radio ny taona 2015 raha nikatona nandritry ny dimy taona. Folo mianadahy ihany koa ireo mpiasa nahitana teknisiana sy mpanao gazety ary mpiambina no nogadraina nandritry ny telo volana mahery teny Antanimora. Taorian’ny fivoahana ny fonja, dia nilaza malalaka ny foibe Fjkm, fa afaka mitady fivelomana avokoa ny rehetra ary malalaka amin’izay heveriny fa mety ary tsy misy olana. Tao ireo niasa tamin’ny haino amanjery hafa, tao ireo namokatra fandaharana, tao ireo nanao asa hafa mihitsy. Misy amin’ireo manao jobily ankehitriny no niasa tany amin’ny haino amanjery hafa.

Raha fehezina, dia 25 taona no niorenan’ny Radio Fahazavana niaraka tamin’ireo mpiasa, fa 20 taona no tena niasa satria nikatona 5 taona ny Radio Fahazavana. Zany hoe tsy tokony nisy fanavahana izay rehetra niharitra ny mafy tamin’izany, satria Radion’ ny fiangonana io, ka tokony ho fampandrosoana ny olona rehetra sy ny olona manontolo tokoa satria ahiana ny fitiavan-tena ho an’ny sasany, ka lasa mampialangalana ny hafa, satria tsy mitovy ny tadin-dokanga. Andraikitry ny foibe Fjkm ny fanapahan-kevitra momba izany.