Marary ny sehatry ny lavanila – Misy ny angon-tsonia hanafoanana ny CNV any Antalaha

Aly

Marary ny sehatry ny lavanila amin’izao fotoana any amin’ny faritra Sava, anisan’izany ny any Antalaha, izay renivohitry ny lavanila eran-tany. Sahirana avokoa noho izany, na tantsaha mpamboly, na mpanangom-bokatra, na mpanodina ny vokatra, na ny mpanondrana, izany hoe ireo rehetra mivelona amin’ity seha-pihariana ity mihitsy any an-toerana. Noho izay atony izay, raikitra ny fanangonan-tsonia ataon’ny SOS Vanille, mitaky ny hanafoanana ny CNV: komity nasionaly misahana ny sehatry ny lavanila, sy ny hanajana ny fanalalahana ny sehatr’ity voly fanondrana ity. Ankoatra izany, miroso ny dinika sy fakana sonia any Antalaha ataon’ireo mpisehatra amin’ny lavanila. Tsy hijanona ao amin’ny Renivohitry ny lavanila izao hetsika izao, fa hiitatra amin’ny faritra izay misehatra amin’ity seha-pihariana vokatra fanondrana ity.

Momba ity raharaha ity ny SOS Vanille any an-toerana dia manome 72 ora ny fitondrana, mba hamaha izao olana izao. Namoaka fanambaràna ny Vovonana SOS Vanille any amin’ny faritra SAVA, ny alatsinainy 20 martsa teo, ka mitaky ny fanafoanana ny CNV (Conseil National de la Vanille). Takian’izy ireo ihany koa ny fanafoanana ny resaka fanomezan-dalana (agrément). Tokony havela malalaka ny rehetra, hoy izy ireo, mba hisera sy afaka hanondrana lavanila, raha manara-dalàna. Nampahatsiahy ihany koa ny SOS Vanille, fa mbola manan-kery ny lalàna 97-046 ny 04 novambra 1997, ao amin’ny andininy faha 8, izay manambara fa malalaka ny fihariana lavanila, ka tsy ekena ny famerana ny vidin’ny lavanila. Voakasik’izany ny hividianana azy, na ny hamarotana azy. Aoka ny tolotra sy ny tinady eo amin’ny tsena no mamaritra ny vidiny hoy izy ireo. Takian’ny vovonana SOS Vanille ihany koa, fa any Antalaha, izay renivohitry ny lavanila maneran-tany, no toerana hametrahana ny dinika sy ny fanapahana goavana rehetra momba ity seha-piharina ity.

Marihina fa latsaka ambany dia ambany ny vidin’ny lavanila, izay manodidina eo amin’ny 100000Ar ny lavanila iray kilao masaka, raha toa ka novidiana 2 tapitrisa Ar mahery ny kilao teo aloha.