Mahitsy Ambohidratrimo – Nanavao ny mpitantana ny COMTIM

Niaina

Notanterahana tamin’ity herinandro ity ny fanavaozana ny mpitantana ny rafitry ny antoko TIM ao amin’ny kaominina Mahitsy distrikan’Ambohidratrimo faritra Analamanga. Izany dia notanterahina tamin’ity herinandro ity, teo ambany fitarihan’ Andriamatoa William Razafindratsira mpitarika ny DisTIM Ambohidratrimo. Lany ho Filoha hitantana izany i Hery Ranjalahy, tanora TIM ao an-toerana, sady ao amin’ny Jeune TIM Analamanga. Nanambara ny fahavononany izy sy ny ekipany ny hiasa ho amin’ny famerenana indray, ny filoha Marc Ravalomanana eo amin’ny fitondrana, hanentana koa izy ireo ny hisoratan’ny olona feno taona amin’ny lisi-pifidianana hatramin’ny faran’ny volana mey.