Lalao amin’i Centrafrique etsy Mahamasina anio – Alefa Barea, handeha mivantana amin’ny TVM ny lalao

Rainilita

Fantatra ankehitriny, araka ny vaovao voaray, fa harahanina mivantana ao amin’ny fahitalavi-pirenena TVM avokoa, ireo lalao baolina kitra miisa roa, izay hifanandrinan’ny Barea de Madagascar sy ny Les Fauves du Bas-Oubangui de Centrafrique, eo amin’ny andro faha-3 sy faha-4, amin’ny fifanintsanana fahazoana miatrika ny CAN 2023, dia ny lalao izay ho tontosaina etsy amin’ny kianja Mahamasina anio alakamisy 23 martsa 2023, sy ny lalao ho tanterahina any amin’ny kianja “ Stade de la Réunification Douala Cameroun”, amin’ny alatsinainy 27 martsa 2023, izay samy hanomboka amin’ny 04 ora hariva avokoa. Hiaro ny voninahi-pirenena ny Barea amin’ireo lalao roa ireo, alefa Barea ! Noho ity lalao iraisam-pirenena etsy Mahamasina anio ity, tsy hisy ny tsena isaky ny alakamisy eny an-toerana androany.