COMTIM Ambatolampy Tsimahafotsy – Tsy diso anjara tamin’ny fifampiarahabana tratry ny taona

Stefa

Tsy diso anjara tamin’ny fifampiarahabana tratry ny taona koa, ny COMTIM Ambatolampy Tsimahafotsy distrikan’Ambohidratrimo ny faran’ny herinandro teo. Izany fifampiarahabana tratry ny taona ny Com TIM Ambatolampy Tsimahafotsy izany dia natrehan’ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Ambohidratrimo Mamy Rabenirina, izay sady sekretera jeneralin’ny antoko TIM koa ary nahitana ny mpitarika ny DISTIM Ambohidratrimo William Razafindratsira, natrehan’ny ben’ny tanàna avy amin’ity kaominina ity rahateo.

Nahafinaritra ny fihaonanananatrehan’ireo mpikatroka sy ny sampan’ny antoko, nahitana ny Tanora sy Vehivavy TIM eny an-toerana. Natomboka tamin’ny vavaka ny fihaonana, narahana jery todiky ny lasa, sy ny hiatrehana ny asa miandry amin’ny fifidianana ary koa fanentanana ny mpifidy hiditra anaty lisitra. Tamin’izany koa no nanavaozana ny birao mpitantana ny antoko TIM tao an-toerana. Hitohy amin’ny COMTIM hafa indray ny hetsika amin’ity herinandro ity.