EDITO 23 Marsa – Tsy misy lanjany ny vola Ariary, mahantra ny vahoaka

Beharo

Mihemotra isika, miha-mahantra hatrany ny firenena. Sahirana sy mahantra ny vahoaka, izany no valinteny azo teny amin’ny tsenan’Andravoahangy sy ny manodidina omaly alarobia. Niezaka ny mpanao gazety nanontany teny an-toerana, ka ireo mpivarotra anana sy legioma isan-karazany dia nilaza fa ny saran-dalana izay nisondrotra vokatry ny vidin-tsolika, ny làlana ratsy, ary indrindra fa ny vidin’entana mahakasika ireny fiara fitaterana ireny, no fototr’izany rehetra izany. Mifandray avokoa ny fisondrotana, ka raha vao ny solika no miakatra dia tsy tana intsony ny vidin’entana, voatery mampiakatra ny anjarany ireo tsena madinika, ary dia tsapa fa tsy misy lanjany tokoa ity volantsika Malagasy : ARIARY ity. Vao mandalo tsenam-bary sy fitaovana ilaina andavanandro (menaka, siramamy, savony… ) fotsiny ihany, dia efa kivy tanteraka mahaino sy mahita ireo vidin’entana.

Maty antoka ny mpivaro-kena noho ny vidin’ireo biby fiompy alaina any an-toeran-davitra handoavana saram-pitaterana, saram-pamonoana ara-dalàna ho an’ny omby sy kisoa ohatra, ka voatery manenjika ny banga amin’ny fanaovana saosisy, na mandefa ny hena antsinjarany, tsi-potipotika, toy ny antsasaky ny fahefan-kilao, izay tombontsoa kely omena ny mpanjifa, sy mba anjara kelin’ny mpivarotra hoy izy ireo. Ny mpivarotra hazan-drano koa nilaza fa raha vao ratsy fotsiny ny toetry ny andro, dia efa fatiantoka ho azy ireny, ka voatery manondrotra ihany koa raha mba te-hahazo rariny. Ny mpivarotra akoho amam-borona sendra ny mpanao gazety koa teo am-pahatongavana avy any amin’ny lafiny avaratra, dia naneho mazava fa tsy maintsy kendrena izay ahalafo ny vorona sy ny atody entina, satria fatiantoka ny mitondra azy ireny miverina, noho ny sarany takiana aminy, sy ny hivezivezena amin’ny toerana efa mahazatra.

Raha fintinina ny tenin’ny mpivarotra sy mpanjifa teny rehetra teny, dia ny vola gasy tsy misy lanjany mihitsy no votoatin’ny fahantrana amin’izao vanim-potoana izao, ny vahiny mahay manodina ny volany eto hatrany, no mahazo tombony, tsy sarotra amin’izy ireny ny mividy entana mitentina 4 euros ohatra, nefa efa mampikolay ny maro satria raha hatao vola gasy dia any ho any amin’ny 18000 Ar, nefa tsy ahazoana fahafaham-po.