Firaisamonimpirenena Safidy – Misy matahotra ny rantsamangaikan’ny CENI dia tsy manome antontam-baovao

Ny Valosoa

Araka ny tatitra nataon’ny avy ao amin’ny firaisamonimpirenena Safidy dia mampisavorovoro saina ny ataon’ny CENI:
– tsy mazava ary manova zavatra goavana ho an’ny olompirenena ny fanovaovana fepotoana samihafa mahakasika ny fisoratana anarana anaty lisi-pifidianana
– tokony hahana lisi-pifidianana azo antoka sy azo iasàna
– tany am-piandohana isika nahita ilay calendrier hoe amin’izao isika mandeha any an-tokantrano, dia avy eo ny olompirenena indray manantona fokontany, dia avy eo faranana vonjimaika ilay lisitra. Dia misy amin’izay ny fanaovana impression sy ny karazany. Dia any amin’ny fokontany indray ny lisitra no hanaovana fanamarinana. Dia amin’izao izay daty izay, nanome daty ry zareo fa tsisy intsony koa… teo aloha izy tao anaty taratasy mazava tsara. Dia tokony hamafisina koa…
– misy distrika efa miteny hoe tongava manamarina ny anaranareo eny amin’ny fokontany. Nefa ny daty heno eny amin’ny CENI hoe any amin’ny avril vao misy izay fanamarinana izay. Tsy mazava ny fampahafantarana, mampirohoroha saina be hoe inona marina ilay ataontsika amin’izao
– tsy misokatra ho an’ny firaisamonimpirenena ny antontan-kevitra mahakasika izay lisi-pidianana izay, indrindra ny any amin’ny faritra ka mampanano sarotra ny fanaraha-maso.
– amin’ny maha-mpanaramaso dia misy antontanisa, antontam-baovao angatahinay, dia rehefa any amin’ny faritra izahay dia misy matahotra ny rantsamangaikan’ny CENI dia tsy manome an’ilay données angatahina dia mamaly mihitsy ry zareo hoe tadiavo any Antananarivo.
– ho anay manokana anefa, jerena hoe mitovy ve ny données sur terrain sy ny données lazaina aty Antananarivo. Ilay rantsamangaikan’ny CENI tsy manome an’ilay données any amin’ny faritra sy ny distrika. Any no mbola itondranay fanamarihana any amin’ny CENI. Dia zareo mbola miteny hoe azonareo aty. Dia hoy izahay hoe tsara kokoa raha mba ny ekipa any an-toerana mba mahita ilay zavamisy any an-toerana fa tsy dia hoe ety Antananarivo daholo vao mahazo ny valinteny rehetra.

‘https://www.youtube.com/live/564Prel-Kvw?t=421